Ao anatin’ny savorovoro tanteraka no azo ilazana ny fitantanana ny firenena ankehitriny. Hita fa tena sahiran-tsaina ny mpitondra na dia miezaka ny milaza ny mifanohitra amin’izay aza. Fahotana mahafaty vitan’ity fitondrana ity ny fihantsiana ady amin’ny mpanao gazety enim-bolana monja taorian’ny nandraisan’i Hery Rajaonarimampianina ny fahefana. Mampatahotra ny zava-misy satria tahaka ny mikorosofahana izany isika
mitotongana ny sandan’ny ariary, grevy etsy, fitokonana eroa. Rehefa nodinihana tsara ny zava-nitranga omaly teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy dia mitamberina ao an-tsaina ny zava-nisy tamin’ny 2009. Toa miverina indray ny tantara, midika izany fa tsy nahay naka lesona tamin’ny lasa mihitsy ny mpitondra fa vantany vao nahazo fitondrana dia manenjana, mampitahotra, mampihorohoro. Aoka hifantsika tsara ao an-tsain’ny tsirairay anefa fa : « ny sandry tsy hery, ny hatanorana tsy ody faty » Tsy misy manana ny marina 100% izany eto, tsy misy afaka miebo fa tsy ho azo kitihina mihitsy izy, rahampitso, tsy misy afaka mirehareha fa nety foana ny nataony hatramin’izay sy ho mandrakizay. Kodiaran-tsarety ny fiainana, ny ambony mety ho lasa ambany… Tsy ny fahamaroan’ny zavatra tsara vita fa ny havitsian’ny hadalana atao no hahafahana milaza fa hendry ny olona iray. Tsy ny fitanisana ny tsy mety nataon’ny teo aloha sy fanomezan-toky fa tsy hamerina izany intsony no atao hoe fanovana fa ny fanatanterahana ny asa rehetra nampanantenaina fa tsy mantsy atao anatin’ny fisedrana sy ny olana. Tsy nitondra herintaona akory i Hery Rajaonarimampianina dia efa manetsika emmo reg isan’andro. Tsy efa midika ho tsy fifehezana ny toe-draharaha avy hatrany ve izany ? Aiza ilay hoe fifampiresahana, fifampidinihana, fifanakalozan-kevitra… ? Nokianina tamin’ny fotoan’androny ny kandida Jean Louis Robinson fa hoe mahery fitenenana loatra. Ankehitriny tena mahery fihetsika sy manaporitra vahoaka ilay filoha milaza azy fa voafidim-bahoaka. Iza no tena tsy mendrika hitantana firenena amin’izany ? Enim-bolana monja nitantanana ny firenena ny HVM dia efa ambony ambany ny tanàna. Fahagagana angamba andrasana amin’ny hoe fanovana sy fampandrosoana fa raha izao zava-misy iainana izao aloha no dinihana dia …mitohy ny krizy e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.