Edito

Mitohy ny kitsapatsapa


  • Talata 24 Aogositra 2021

Niala tamin’ny “cerveau” sy ny avy any an-dafy izany izao dia miditra indray amin’ny fanomezana sehatra ny tanora sy ireo endrika vaovao.

 Noheverina ho fisokafana ihany koa ny fanampiana ireo mpikamban’ny antoko politika hafa, eny, ireo mpikamban’ireo antoko manohitra izao fitondrana izao teo aloha. Manoloana ny fitohizan’ny fipoiran’ireo dosie isan-karazany momba izay mpitondra vaovao izay, na ny marimarina kokoa, ny sasantsasany amin’ireo minisitra vaovao anefa dia hita ho mbola mitohy hatrany ny kitsapatsapa ao anatin’izao fitantanana ny raharaham-pirenena izao. Apetraka hatrany aloha ny fanontaniana hoe tena nisy fanadihadiana lalina mialohan’ny nanendrena ireo minisitra tokoa ve? Mahafehy ny toerana nametrahana azy tokoa ve izy ireo? Fanindroany izao, fara faha keliny, no nahenoana mpandinika nanamafy fa na ny rafitra hampandehanana ny raharaham-pirenena eto aza efa maty. Izany hoe raha ny hevitr’izy ireo dia mpitondra natao hanangana ny maty mihitsy aloha no ilaina anatin’izao raharaha izao. Ilay mpandinika iray moa sahy milaza mihitsy fa hiverina hanala CEPE izy raha mandeha io. Tetikasa anatina rafitra efa olana izany, hoy izy izay, tsy hitondra na inona na inona satria tetikasana olana. Na ny mpitondra aza ho diso fanantenana toy ireo vahoaka ihany koa ao anatin’izao zava-misy izao rehefa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy marina ny rafitra mipetraka eto. Mahatakatra na dia ny fitombonana na tsy fitombonan’izany fomba fijery rehetra izany fotsiny aza ve ireo mpikamban’ny governemanta nolazaina fa tsy manan-jo ny tsy hahomby raha toa ka anaty tsy fahombiazana izany izao no niaingany teo am-pandraisany ny fahefany? Samy miseho midina ifotony daholo. Miezaka mampiseho fa mahay manakaiky vahoaka saingy efa nahafantatra nialoha ny olana fototra ve sa vao izao mihitsy vao midina eny manontany izany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT