Edito

Mitohy ny fandrobana


  • Alakamisy 28 Jolay 2011


 Tsy misy andro iray tsy handrenesana amin’ny filazam-baovao eto an-drenivohtra fa nisy jiolahy tratra namaky trano, na nandroba magazay na tsena, na namono olona, ary efa mahazatra indray aza ilay izy ka tsy eritreretin’ny olona intsony hoe vaovao ratsy fa efa natao fotsiny hoe tranga. Tsy vao izao akory no nisy ny mpamaky trano sy mpandroba banky sy volan’orinasa fa efa hatry ny ela. Ny mampiavaka ny amin’izao fotoana kosa dia mateti-piavy izy ireo ary hita mihitsy fa misy amin’ireo jiolahy no ampy fitaovana ary mitsotra mihitsy rehefa atao fanadihadiana fa olona ambony ao anatin’ny fitondrana, na havana olona ambony na mpanam-bola no naniraka azy ireo. Samy manana ny fomba ilazany ny amin’ny antony mampirongatra ny asan-jiolahy moa ny tsirairay avy, ka maro no milaza fa noho ny krizy sy ny fiainana sarotra no mahatonga ny olona sasany hanita-tsaina ka hangalatra, ny asa rahateo tsy misy.

Rehefa dinihana anefa ireny zava-miseho rehetra ireny dia voaporofo ihany fa tsy jiolahy mafy ady na sahirana no manao ny asa fa olona manana vola sy fitaovana hahafahana manatanteraka asa goavana, manampy izay dia efa manana ny tsara ho fantatra rehetra, izany hoe ny fanampim-baovao momba ny trano na banky na fivarotanana hotafihana. Midika izany fa mirindra ny asan’izy ireo ary efa noeritreretina tsara fa tsy hoe nasesiky ny tsy fananana dia handeha handroba fotsiny amin’izao. Efa maro ihany izay jiolahy naseho gazety sy fahitalavitra izay, saingy toa vao mainka aza mitombo ny isan’ny halatra sy ny vaky trano ary ny fanakanana taksiborosy eny amin’ny lalam-pirenena.

 « Fa nahoana ? », hoy ny olon-tsotra manontany tena. Tsy misy mahalala ny tena ny valin’ny fanontaniana fa ny tombantombana etsy sy eroa no nipoiran’ny resaka hoe : sahy ireo jiolahy satria manana olona matanjaka mamatsy sy manohana. Nalaza be teo aloha kely teo ny hoe misy miaramila sy zandary ary polisy mampanofa fitaovam-piadiana amin’ny jiolahy. Ny jeneraly Ravalomanana Richard mihitsy no nanamafy fa basy sy bala avy any amin’ny toby miaramila no nampiasain’ny jiolahy sasany nanafika teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Toa nangingina anefa ilay raharaha, na dia mbola misy ihany aza ny jiolahy manafika mitondra Kalachnikov amin’izao fotoana izao, asa na nidona tamin’ny rindrim-be tahaka ny tamin’ny raharaha boaderôzy koa ireo mpanao famotorana momba ny asan-jiolahy koa dia mangina sao voafindra toerana na voadaka tampoka. Dia mitohy izany ny fandrobana satria tsy misy mihitsy ny fepetra matotra sy henjana raisin’ny manampahefana fa ny fanentanana ny olona ho mailo no averimberina, tanam-polo anefa tsy hifanehitra amin’ny basy mihitsy. Ny harem-pirenena rahateo moa raha tsy amidy mora dia robaina tanteraka, ka mety efa izay angamba no fomba fanao izao. Izay angamba ilay fanovana eh !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT