Edito

Mitohy ny fanabadoana


  • Alarobia 24 Mey 2017

Na tamin’ny andron’Andrianampoinimerina aza nahira-tsaina tsara ny mpanjaka nilaza tamin’ireo tandapa hoe omeo ny vahoaka ny angady sy ny sobika ahafahan’ny tany mamelona antsika.

Mazava ny fampianarana fa sady nitaiza ny vahoaka ho tia mampiasa izay hananan’izy ireo ho fivelomany ny mpanjaka no nahay nampianatra fa miteraka soa iombonana ny fifamelomana. Tato ho ato anefa dia ny fampizarana ny vahoaka hamantam-bonona sy handray fanampiana lava izao no ataon’ny fitondram-panjakana ary ny faramparany teo aza dia saika amin’ny anaran’ny filoham-pirenena mivady foana ireo fanampiana nomena. Anisan’izany ny tany Port Bergers. Vary sy menaka sy siramamy sy izay rehetra mety ilaina amin’ny fiainana andavanandro kanefa tsy maharitra ela sy ambolena no nozaraina tetsy Mahamasina ny alatsinainy teo. Tsy propagandy mialoha ny fotoana ve ny toy izany ? Sao mbola mitohy ihany ny fanabadoana natomboky ny mpanjanatany ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT