Edito

Mitohy ny fahazarana


  • Alakamisy 29 Jona 2017

« sinema indray ! » raha nisy iny garana voatr’olombelona lany daty tsy nipoaka nanoloana ny minisiteran’ny fizahantany omaly iny.


Azo antoka fa anisan’ny voateny eny imolotr’ireo mpanara-baovao ny hoe « efa mankaleo » na koa hoe  Iny indray izany no tranga nanampy trotraka ny raharaha Claudine A&C, izay tena azo antoka fa efa mankaleo ny rehetra amin’izao fotoana. Mitohy hatrany ny fahazarana mitranga eo amin’ny andavanandrom-piainan-dramalagasy hahavariana azy na eo aza ireo fahasahiranana nitombo iainany tao anatin’izay efa-taona izay. Manampy izany koa, etsy an-kilany, ireo fitokonana samihafa tsy nahitam-piovana stratejia mandrak’ankehitriny ary dia hampoizina ihany koa fa tapi-maso toy ny mahazatra hatrany no ho valin’ny fitakian’izy ireo. Baomba tsy nipoaka, fitokonana miverimberina, ilay resaka « ultimatum » ihany angamba no mba nisy fiovana satria dia sambany no nisy izany hoe 10 andro be izao miteraka vazivazin’ny eny an-jorony hoe efa nanome ultimatum 5 taona ny fitondrana ny vahoaka.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT