Mitoetra foana ilay « sans qualité » !

Ny eo tsy miravona sy tsy milamina, ny eo misosoka ihany !


  • Talata 29 Jolay 2025

Ny krizy ara-pahasalamana niteraka fahatesana olona an-jatony mbola

betsaka ny manjavozavo sy itakian’ny maro ny tena marina, dia efa tonga ihany koa ny afera goavana mikasika famotsiana fiaramanidina. Tototry ny kimaizimaizina ny Firenena, malaza ratsy amin’ny endriny maro,… kanefa ny mpitondra tsy mba menatry ny fahafaham-baraka, ka asa hoe efa vita vaksiny tamin’ilay nosokajian’ny vahiny ho « sans qualité » taorian’ny fanonganam-panjakana 2009 ve ka mbola tohizana mandrak’androany ? Izao ve no manjo ny Firenena tantanin’ny mpitantana mendrika indrindra aty Afrika araka ilay amboara nampitsanga-menatra ? Tsy finiavana hitsikera na sanatria fankahalana mpitondra, fa tena mahamenatra sy mampitsanga-menatra ny fahapotehana vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, ny afera maloto goavan’ny mpitondra, ny fampahantrana Firenena,… Tena sokajiana ho bado sy habadoina andro aman’alina ny Malagasy, halemena mba hanaiky taingim-bozona tsy hampitroatra azy,… Ankehitriny, tsy misy taratra hivoahan’ny Firenena anaty aizina aloha hatreto, fa loza aza ny manambana. Raha miomana fatratra amin’ny hoe : voninahitra handraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC ny mpitondra ka manao ny tsy fanao, manarontsarona krizy, manafina ny ambana na olana ara-pahasalamana samiha hanomezana antoka ny vahiny,… dia manangasanga andaniny ny mety ho ankivy na sazy ara-toekarena ho an’ny Firenentsika raha tsy hilaza afatsy ny tsenan’ny AGOA izay hisitrahana fanafoanana na fanalefahana ara-ketra amin’ny fanondranana entana any amin’ny tsena amerikanina. Isan’ny vao mainka miteraka ambana goavana io afera famotsiana fiaramanidina amin’ny Iranianina io. Dia mbola ho potika noho ny fitiavan-tena sy fitiavam-bolan’olom-bitsy ny fiharian’ireo mpandraharaha Malagasy ? Asa hoe : tena miasa ho an’iza marina ny mpitondra eto ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT