Tsy mahagaga raha tsy mety ho tafita intsony ireo lazaina ho karazan-tolona miseho etsy sy eroa eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.
Dinika ambony latabatra sy famoahana fanambarana isak’izay mihetsika no lasa manototra ireo haino aman-jery sy sehatra fampitam-baovao isan-karazany. Manambana ny hihetsika hatrany hoe ho fanoherana ny zava-misy eto amin’ny firenena izay lazaina fa efa tsy rariny intsony ary miha loza hatrany kanefa dia na inona na inona fivoaran’ny toe-draharaha dia hetsi-panoherana tsy misy fiovany fa ny omaly tsy miova ihany no hita miseho ho lany. Ankoatra izay dia tsy laizina mihitsy fa ireo mpamono afo koa dia mitoetra hatrany. Hatramin’izao izany dia mbola tsy azo sary an-tsaina foana hoe ahoana no hiafarany fa dia ireo mpamono afo tsy maintsy hipiripirina rehefa mahazo izay fanampenam-bava any ambadika any. Ny tena loza dia toa lasa voatery mandiso an-kolaka ireo tolona niarahany tamin’ireo namany taloha izy ireny ary dia zary lasa vahana azon’ireo mitana ny fitondrana ka manome rariny azy ireo tsy fidiny. Raha fehezina izany ny zava-misy dia manome bala hitifirana ny tenany hatrany no ataon’ireo mpanohitra ny fitondrana ka asa raha mba tsapan’izy ireo izany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.