Edito

Mitifi-danitra


  • Alarobia 09 Aogositra 2017

Manomboka ny hazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Efa maro ny milaza fa hirotsaka, saingy any amin’ny ora farany no hitsarana hoe tena sahy tokoa sa mitsapa ny halalin’ny rano

. Tsy sanatria manamaivana na manambany, fa toa samy miteny sy milaza ho vonona daholo izay afaka miteny na dia efa misy ihany aza no tsikaritra fa na sefom-pokontany aza mety tsy ho lany. Ao ny miezaka hatrany mikopak’afo sy mampalaza tena aloha sitrany ahay mba mahazo 2 na 3 isan-jato angamba rehefa raikitra tokoa ny tokoa. Tsy manamaivana na mitsara ivelany fa vao any amin’ny resaka haitarika sy tsanganana ny sasany dia efa hita taratra fa tsy hahovoka, ary misy mihitsy aza no efa nirotsaka tamin’ny alalan’ny antoko nosokajiana ho matanjaka, saingy 5% angamba raha be indrindra, ka tanteraka ny ohabolan’ny Malagasy hoe arakara-tarehy voa-javatra. Ao ny manana tombondahiny mihitsy, ka afaka mampiely ny foto-keviny dieny izao noho ny fananana orinasan-tserasera, ary toa malalaka amin’ny fanamavoana sy fanaratsiana ny hafa, saingy mbola tsy mety misongadina e ! Toa ilay antsoina hoe mitifitra lanitra hahavoazana tendrombohitra sisa fomba fiadin’ny ankamaroany, fa ny hibata ny fandresena dia efa hita taratra eny ihany. Sitrany ahay tokoa angamba lasa minisitra na tendrena amina toerana ambonimbony atsy ho atsy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT