Edito

Mitebiteby lava


  • Talata 16 Febroary 2016

Na ny mpitondra na ny vahoaka eto Madagasikara dia hita fa samy miaina ao anaty tebiteby isan’andro vaky izao.


Itsy voalohany mitebiteby sao hisy hanakorontana sy hanandrana hanongam-panjakana na hisy sendika hitokona sy hitaky ny zony ka hiitatra izany. Na koa hisy mpanao politika manan-kevitra hafa ka mety hambabo ny fon’ny olona dia hivadika zavatra hafa ny resaka. Ny faharoa kosa dia mitebiteby lava sao misy manendaka raha taratara fodiana amin’ny hariva, sao misy mandroba ny trano ka ho lasa ao ny kely ananana ; sao misy manongotra amin’ny fakany ny voly any an-tsaha kanefa io aza tsy hahazoana tombony akory rehefa amidy eny an-tsena ; sao tonga ny dahalo ka lasany ao daholo ny omby na ny mahia na ny matavy. Ny toerana misy no samy hafa fa ny ahiahy mitovy ihany. Ny vola miditra am-paosy no tsy mitovy fa ny fahasahiranana sahala ihany. Izany no tondro hanaporofoana fa firenena mitrongy vao homana i Madagasikara. Ny tena raharaha eto dia misy andian’olom-bitsy mifehy ny harem-be ary mbola miketrika hakany ny hifehezana izany amin’ny 50 taona manaraka. Misy tsara ny vahaolana hiadiana amin’ireo fahavalom-pirenena tia tena ireo raha toa ka ampy fahiratan-tsaina ka miara-miasa sy mifanampy amin’ny vahoaka ny mpitondra. Fa raha mbola io be marenina sy taitaitra amin’ny seho ivelany io aloha dia tebiteby sy aretim-po no ho fanampin-tsakafo isan’andro eto e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT