Mitazana izay tanjona!

7 taona mahery izao dia mitazana izay tanjona tena tian’izao


  • Alakamisy 22 Mey 2025

fitondràna izao hahatongavana marina ho an’ity Madagasikara ity isika mianakavy!

Samy velom-panontaniana indray ny mpanara-baovao hoe inona indray ary no tiana hahatongavana amin’ity filankevitry ny minisitra mitety faritra ity? Mahatsiarotsiaro ny Madaraid an’ny Pr Zafy Albert ve sa inona loatra? Efa be loatra ve ilay volam-panjakàna ka tsy hita intsony izay handaniana azy? Efa hitany fa sambatra tokoa, araka ilay nolazainy, angamba ny vahoaka. Manan-karena ara-tsaina ahoana ihany koa nefa moa? Efa tafidina amin’ny atsasa-manila ve ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra sa sanatria nihoatra izay atsasa-manilan’ny mponina izay aza? Manan-karena ara-tsaina ve dia tsy mety mahita vahaolana ialana amin’izao fahantrana lalina manjo ny firenena, araka ny fijerin’ny mason’izao tontolo izao azy izao? Taty amintsika, hono, ny mason’izao tontolo izao tsinona ary hiverina aty amintsika tsy ho ela indray, hoy ny filoham-pirenena, rehefa vita io fotodrafitrasa kasaina ho atao eny Ivato io. Efa namaivay ny tsikeran’ny ivelan’ny fitondràna fa tsy mpanohitra fotsiny tao anatin’ireny fotoana nananganana fotodrafitrasa marobe tsy hita hoe hitondra inona ho an’ny aty vilanin’ny olompirenena ireny. Na ny kianja Barea io na ny teleferika izay miantona fotsiny eo hatramin’izao. Ireo hopitaly hoe manara-penitra izay misy mihotsaka fotsiny eo am-pitoerana eo ny sasany. Toy izany koa ireo biraom-panjakàna mirodana ho azy nefa nolazaina fa manara-penitra. Na ireo kianja koa aza moa misy toy izany. Ny vary izay naha tompondaka ilay firenena fahiny ny famokarana sy fanondranana azy ity lasa vokatra fanafatra sy tsy maha menatra ilay filoham-pirenena sy mpitondra miaraka aminy akory ny milaza fa tsy ampy antsika ny vary eto. Ny mpandraharaha malagasy mitaraina ho mijaly sy sahirana na amin’ny lafiny fikarakarana taratasy samihafa na amin’izay fahafaha-mandraharaha izay mihitsy. Ny vidim-piainana sy tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny maro ary hiarahan’ny rehetra mahalala fa tsy vahaolana maharitra ny tosika fameno na vatsy tsinjo sy ity tsimbintsimbina samihafa ity saingy izao iaraha-mahita izao moa no ataon’ilay fitondràna. Mitazana izay tanjona tena tiany hahatongavana marina isika hatramin’izao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT