Edito

Mitavozavoza loatra


  • Talata 14 Jolay 2015

Mampatahotra ihany ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana satria toa lasa resaky ny moana sy marenina no betsaka. Izany hoe tsy misy ny fifampiresahana matotra fa dia samy manao izay hitany fa mety aminy aloha ny tsiraira

. Hafahafa ihany ny hiatrehana fifidianana amin’ny toe-draharaha tahaka izao, fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa. Mameno gazety isan’andro ny famonoan’olona amin’ny fomba feno habibiana, mitombo isa ny mpisandoka sy ny mpisoloky, mitohy ny fanafihana mitam-piadiana. Miakatra ny vidin’entana eny an-tsena…Tena sahirana ny olona, mitaraina kanefa toa tsy misy mandre. Hoy ny resaky ny olon-tsotra sendra re teny an-dalana teny : fa ilay fanjakana ve sady tsy mahavaha ny olana ara-politika no tsy mahita vahaolana amin’ny sosialim-bahoaka e ? Mahalaza zavatra maro izany ary azo handrefesana ny fahasahiranana iainana eto isan’andro, azo itarafana ihany koa ny ahiahin’ny olona noho ny fitavozavozan’ny mpitondra amin’ny famahana ny olana. Fa hiasa ve sa tsy hiasa e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT