Mitaraina ny tany! Mila rivo-baovao!

Mitaraina ara-bakiteny ny tany sy


  • Alarobia 09 Oktobra 2024

mponina ato anatiny rehefa zohiana amin'izao zava-misy izao.

Efa tsy mitaraina intsony fa efa tena mandohalika amin'ny tany sy samy mitondra ny kapoaka mangidiny avy: delestazy, tsy fananan'asa, fahantrana mandifotr'olona, tsy fandriam-pahalemana, findangan'ny vidim-piainana. Hain'ny mpitondra antsika manome lesona ny vazaha ka milaza fa mamono ankizy 3 tapitrisa isan-taona aty Afrika ny mosary, tsy ampy ny vola hiatrehana azy kanefa ny Tandrefana mandany 200 miliara dolara hanaovana ady. Tsapany izany, hainy ny mitatasika araka ny fitenin'ny tanora amin'ny hoe: fandaniana vola be amin'ny zavatra tsy mamokatra kanefa ny azy ny teleferika hitrosana vola tsy toko tsy forohana kanefa tsy mitondra inona firy amin'ny fiainam-bahoaka, ny kianja nandaniana volabe kanefa tsy azo ilaolavana fa mandady manofa kianjan'olona any ivelany. Ny fijerena ny tena laharam-pahamehana ho an'ny vahoaka moa tsy misy, fa serasera sy fampanantenana mandavan-taona satria tsy niomana tamin'ny vinam-piarahamonina mifandraika amin'ny Malagasy sy ny filany noho ny fahazarana mampanonofy. Raikitra indray io ny fifidianana eny ifotony, dia mbola hoentina amin'ny fampanantenana manidintsidina? Mbola handeha amin'ny kitsapatsapa ara-pitantana sy hanompo tsangan'olona lava? Hanao sorona firenena amin'ny fanamafisana ny lonilony sy adilahy noho hambo-po manokana na kakay politika diso toerana? Tena ampy kosa izay e! Mila rivo-baovao ny Firenena !
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT