Edito

Mitaky fahamatorana


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Raha misy ny lesona iray tena lehibe tokony ho tsoahan’ny tsirairay, amin’izao fandalovan’ny Coronavirus izao na olom-pirenena io na mpitondra fanjakana dia ny fandaminana.

 

 

Ny mandamina dia midika hoe miomana, manana paikady, manana ny olona isan-drafitra sy isan-tsokajiny hanatanteraka ny asa ary manana fitaovana.Tsy maintsy mahafehy ny fotoana ihany koa.Rehefa miteny hoe amin’ny 8 ora sy sasany maraina no manomboka ny fizarana dia izay fa tsy hoe lasa amin’ny 10 ora maraina.Ny atao hoe fanampiana maika ho an’ireo tena sahirana dia voazara haingana fa tsy hoe miandry 2 na 3 andro ireo sahirana.Tena ilaina ny fampitam-baovao, fanazavana, fanabeazana, fampianarana..tsy midika izany hoe mifandrombaka “micro” miteny eo avokoa ny manampahefana, ary ny manahirana aza dia indraindray misy zavatra tsy mifanojo izany no resahana , hany ka fanina ny vahoaka, iny avy eo no miteraka savorovoro any anaty fiarahamonina indray.Tena mafy ny asa amin’izao fiatrehana ny Coronavirus izao, tsy eto amintsika ihany fa hatrany ivelany, samy sempotra daholo na ry zareo eoropeana tompon’ny atidoha, ary sivilizasiona efa an’arivony taona maro, na ny Amerikana firenena matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany.Midika izany fa tsy mora io ary tena mila fifanomezan-tanana goavana; ny hevitry ny maro maha taka-davitra hoy isika Malagasy izay.Mahafinaritra ery ny mahita ireo filoha andrim-panjakana mifampidinika amin’ny filoham-pirenena, na dia misy loko politika tena mifangarika tanteraka aza ao.Ny mpanohitra efa nilaza fa hanolo-tanana, hizara fitaovana , misy ireo mitety faritra…Tokony ho hita eny anivon’ny vahoaka koa izany fifanomezan-tanana sy fifanabeazana izany.Tsy misy fahagagana izany handresena ny Coronavirus fa mitaky asa sy drafitra maty paika, ary samy mahalala ny ataony amin’ny fotoana maha mety azy ny tsirairay.Tena mila fahamatorana fa ny amin’izao mihitsy no mampitombina ilay resaka hoe : manadinodino dia “mort”.Inoana fa samy te ho velon’aina daholo .

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT