Mitaintaina ny tany!

«Mitaraina ny tany!», lohatenin’ny


  • Talata 11 Martsa 2025

tantara nosoratan’ilay mpanoratra, Andry Andraina,

izay fa ankehitriny kosa rehefa mijery ny toe-draharaha miha mafampana eto amin’ny firenena, indrindra, ny lafiny tsy fandriampahalemana, dia zary toe-po, toe-tsaina, toe-panahy feno fitaintainana ankehitriny no mameno ny fiainan-dRamalagasy. Sanatrian’izany toy ireny ifaninanana isam-paritra ireny mihitsy ilay tsy fandriampahalemana. Mitaintaina ny tany! Fanafihana atsy. Herisetra aroa. Fakàna an-keriny tao Amboasary atsimo. Tambazotra naha voarohirohy olona miisa 17 ary mety mbola maherin’izany hatreto ny mikasika ny raharaha nahafaty ny ben’ny tanànan’i Mangataboahangy. Miverina mampihorohoro ny sain’ireo raiamandreny indray ny fivoahan’ireo zanany ny tranony satria dia malaza any anaty fiarahamonina indray ny fisian’ny antsoina hoe mpangala-jaza. Toy ilay resaka fakàna an-keriny any amin’ireo faritra samihafa eto amin’ny nosy ihany moa izany rehetra izany. Manoloana izany rehetra izany koa dia ny hetsika politika aloha izany izao no hita ho voafetra dia voafetra. Ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy no nahitàna fanakatsakanana. Taorian’ireo tranga hatrany vao tsikaritry ny ankamaroan’ny mpanara-baovao hoe nisy ny fanambaràna samihafa nataon’ireo mpitandro filaminana ary ho an’Antananarivo manokana moa dia hita ho nanerana ireo elakelantrano sy moron’arabe nanomboka tamin’ity herinandro ity ny mpitandro filaminana samihafa. Heverina fa efa zava-dehibe izany. Manao ahoana kosa ny any amin’ireo faritra hafa, indrindra, ny any amin’ireo ambany ravinkazo sy sokajiana ho tany lavitra andriana nefa maro tantsaha mpamokatra izay isan’ny mbola mahatonga ny malagasy mitovy aminy maro mihinam-bary amin’izao fotoana izao? Mitaintaina ny tany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT