Mitady tany malemy

hanorenam-pangady


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Nanamarika ity herinandro ity ny fisian’ny dian’ny Filoham-pirenena Malagasy any Dubai,

izay betsaka y zavatra mifamahofaho ao anatiny. Mandeha ny feo sy ny tsikera fa naahatratra 110 ny delegasionim-panjakana. Tsy nisy ny fandisoana na fanamarinana ofisialy, fa dia tratry ny samy mody adala eo ! Tsy dia mahagaga ny fisian’izany raha tarafina amin’ny fomba fanaon’ny mpitondra amin’ireny fivoriana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro ireny izay toa hatramin’ny zanaka aman-jafy aza anaty lisitra. Tena asa ho an’ny firenena sa filibana amin’ny volam-bahoaka? Ny serasera sy ny « selfie » aloha no tena misongadina fa izay vokatra ho an’ny firenena mbola lavitry ny kitay ny afo. Rehefa zohiana amin’ny fihetsiketsehana ivelany, toy ny tsy tahaka izao no mahazo ny firenena Malagasy fa tena efa mihazakazaka amin’ny fandrosoana sy mampitolagaga izao tontolo izao. Indrisy anefa, fa mbola miaina sy ampihainina amin’ny haingo ambony tsikoko isika, tezaina amin’ny endrika ivelany, raviravizana amin’ny fahafinaretana anio fa tsy mba hijery lavitra, vidiana amin’ny jiron’akoho sy koveta,… Tena ampatoriana mitsangana ara-bakiteny ? Mandeha ny serasera amin’ny filazana fa hiara-hiasa amin’izatsy na izaroa. Mitady tany malemy hanorenam-pangady any amin’ny Tatsinanana rehefa mareforefo eo anatrehan’ny Tandrefana. Andeha hampahatsiahy kely, fa na iza na iza amin’ireo anie, ka samy mampiasa ny «capitalisme» foana amin’ny lafiny toekarena e ! Lainga sy famitaham-bahoaka ny filazana fa dia tena tiantsika ny Tandrefana na ny Tantsinanana, fa ny azy dia hoe : inona no tombotsoany ? Inona azo halaina sy tsihifina eto ? Tsy mana avy any an-danitra ny volany na fanampiany, fa misy tambiny tadiaviny, ka raha nomeny 1 tapitrisa dolara ohatra, dia mihevera fa mety 2 na 3 na 4 avo heny ny tamberin’iny amin’ny alalan’ny harena ananatsika. Tsy hisy vazaha ho faly amin’ny fihiratan’ny sain’ny Malagasy, ny hahaizan’ny Malagasy ny hareny sy ny fireneny, ny handrosoan’ny fianarana sy fampianarana ao aminy,… fa zarany aza bado. Tsy afaka ny hiolonolona eto isika, fa isika ihany koa anefa no harena voalohany sy fanoitra voalohany ho an’i Madagasikara !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT