Edito

Mitady ny nariana


  • Talata 24 Aprily 2018

Fanambarana tsy fanambarana. Antsoavo tsy antsoavo izany nirarakompana omaly izany. Nihazakazaka dia nihazakazaka ny fivoaran’ny toe-draharaha. Taorian’ny « Couchez vous » notontosain-drizareo avy eo anivon’ny FIGN ny sabotsy teo izay nombam-panambarana fa tsy handatsa-dràn’ny mpiray tanindrazana intsony dia azo lazaina fa tsy nampoizin’ny maro koa ny fanambarana nifono fahendrena nataon’ny prefen’Analamanga sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena.


 Samy nanambara  moa ny 2 tonta fa hampitsahatra ny herisetra ary aleo vahaolana politika no hamahana olana politika. Ny maha velombolo dia hita ho vonon-kiditra amina vanim-potoana vaovao ny firenena ka rehefa avy nandalo ny « mitady ny very » sy ny « nanary ny hita » dia manomboka « mitady ny nariana ». Tsaroana ny ohatra nataon’ilay mpanakanto malagasy iray izay hoe rantsana 8 miampy rantsana 2 mira rantsana 10 ka nahoana tokoa moa tsy afaka hiditra amin’ny tena fampihavanana amin’izay ? Rahateo, na ireo antoko mpanohitra hafa sy mpanohana ny fitondrana HVM aza dia samy saika niainga tamin’ireo antoko mampiasa ireo rantsana ireo avokoa ny ankamaroany. Ho sorohana amin’izay izany izao ny rà mandriaka, ireo sakay sy maso fahiny efa mitady hiofo ho vary sy rano. Ny hirariana dia ny hoe mba samy ho tena amin’ny fo madio tokoa ny fihetsika rehetra ary hiparitaka manerana ny faritra. Mba hahay handinin-tena koa ireo mbola miziriziry ka ho tonga tokoa amin’ilay hoe « Hiadana sy ho finaritra, he sambatra tokoa izahay ».

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT