Mbola mitombina ihany ve ilay hoe ny hisavorovoroan-kilatoana ? Io izao no mahalasa saina ny maro satria tena mbola ao anatin’ny savorovoro tanteraka ny tontolo politika amin’izao fotoana, ary tsy fantatra intsony hoe ankolafy iza no manao inona, ary iza avy ny ankolafy miara-dia ? Ny tena mahazendana ny maro dia toa tsy ny FAT sy ny mpanohitra intsony no mifanandrina sy mifamaly eny amin’ny gazety sy ny filazam-baovao fa ny samy ao anatin’ny fitondrana indray. Na io samy mpikambana ao amin’ny governemanta, na samy mpanao politika ao anatin’ny ankolafin’ny fitondrana, na ihany koa mpiara-miasa akaiky, na mpanolotsaina ny filohan’ny tetezamita.
Tsy afaka hanao inona koa moa ireo mpanohitra satria vao mihetsika dia basy sy fonja, ka hita ho mangingina ihany izy ireo fa dia miandry ny sambo ho vaky fotsiny sisa. Niverina indray ilay fomba filaza hoe : “tsy mila arodana ireo fa mianjera ho azy”. Tsy fantatra anefa hoe rahoviana no ho vaky, na ho rendrika ny sambo ! Ny hany hita dia ny tsy fitovian-kevitra ao ambonimbony ao ka maro no manomboka mamoaka tsiambaratelo etsy sy eroa. Ity raharaha ESCOPOL ity moa no anisan’ny tena fambara goavana amin’izany tsy fifankahazoana any an-tampony izany. Ilay resaka TGV dia somary efa nilamina kely, saingy mbola maro ny olana araka ny ritsoka re, ka izay no tsy mahatapa-kevitra an’i Andry Rajoelina, raha hilatsaka hofidiana ihany izy na tsia.
Ho an’ny mpandinika ny raharaha politika koa anefa dia tsy mahagaga ihany io savorovoro ao anatin’ny fitondrana tetezamita io satria vitsy ny tena tia tanindrazana ao, fa olona baikon’ny fitiavan-tseza sy ny fitiavam-bola no tena maro ao. Raha tsy izany aza dia ireo olona sahiran-tsaina nandritra ny fito taona no miedinedina ao ka tsy mieritreritra afa tsy ny hamalifaty ilay iraika lahy teo aloha sy izay rehetra miara-dia aminy. Tsy azo antoka, araka izany, ny fototr’ilay tetezamita, ary marefo tahaka izany koa ny fijoroan’ilay Repoblika IV, ka izay no ilana sy tsy maintsy hiverenana amin’ny fifampidinihana mba hifanomezan-tanana amin’ny tena fanarenana ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.