Edito

Mitady hirika


  • Talata 16 Aogositra 2011

Raha ny tokony ho izy dia ho fantatra amin’ity volana aogositra ity ny tena marina momba ny famahana ny krizy eto amintsika satria tsy adihevitra na ady seza intsony no hitranga any Luanda mandritra ny fivorian’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC fa dia fankatoavana ny soridalana nasiam-panitsiana ;

 ary tsy tokony hifanalavitra tamin’ny tapaka tany Sandton ihany koa izany rehetra izany. Hanomana ireo vondrona politika 11 nandray anjara tamin’ny fihaonana tany Gaborone no tena anton-dian’ny iraky ny SADC eto Antananarivo amin’ity herinandro ity fa tsy hanome lesona na hanova ny efa nambara, na hanaiky na hanakiana ny tetiandrom-pifidianana navoaky ny FAT. Be loatra tokoa mantsy ny resaka momba ity asa fanelanelanana nataon’ny SADC ity, saingy rehefa nodinihana ny zava-nisy rehetra dia tsy ilaozan’izay misy misora-tena ho tompon’ny hevitra farany tao, ary nisy nieritreritra fa rehefa miteny izy dia izay no marina. Tsy azo lavina fa mety nisy ihany koa ny fandresen-dahatra mavaivay tany ambadimbadika tany ka nahatonga ny mpanelanelana sasany toa mivadibadi-dela izany indraindray.

Efa tsy fotoanan’ny adihevitra be mandany jiro intsony anefa izao, araka ny nambara teny am-piandohana fa efa fijerena ny hevitra hampiharana ilay soridalana nasiam-panitsiana. Koa raha misy ny fihaonan’ny mpanao politika dia tokony hifantoka amin’izay fa tsy handeha hanoratra na handrafitra soridalana vaovao indray dia hitety faritra dia hivory etsy sy eroa. Efa nivoaka nandritra ireo karazana fihaonana teto an-toerana sy tany ivelany ny ankamaroan’ireo hevi-dehibe handaminana ny krizy, ary afaka nilaza ny heviny ireo ankolafy politika tsirairay avy. Tsy nijanona teo amin’ny Ankolafy efatra ny dinika fa niitatra ho amin’ny vondrona 11, satria rehefa nandinika lalina ny mpanelanelana dia ilaina ny fakana ny hevitr’ireo ankolafy politika hafa ireo satria natao ho an’ny rehetra ny fikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy ; saingy ny hita aloha hatreto dia misy ihany ny ankolafy mbola mitady hirika tsy hanatanterahana ny voasoratra tao amin’ilay soridalana nekena tany Sandton Afrika Atsimo izay manamarika mazava ny fiverenana tsy misy fepetra ho an’ireo manao sesitany ny tenany any ivelany.

Tafiditra ao anatin’io ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Mazava ny resaka eto fa ny ankolafy Rajoelina io mitady hirika tsy hanatanterahana ny fanapahan-kevitra eken’ny rehetra io, ary amin’izy ireo dia ilay soridalana hafa kely manome fahefana malalaka ny FAT ary mamingana ny mpifanandrina aminy no mety, izany hoe ilay tsy mitory ny tetezamita iaraha-mitantana. Ny olana anefa dia tsy hisy fitoniana sy filaminana izany mihitsy eto raha mbola misy ny mahatsiaro tena ho voahilika, ary na ahoana na ahoana fomba filaza etsy sy eroa dia lehibe sady matanjaka ny ankolafy Ravalomanana ka sarotra ny tena hoe hanilika azy tanteraka. Efa natao ny fandrahonana, fanagadrana, fanambatambazana, fizarana seza, ary dia nisy tokoa aloha ireo namadika palitao sy nita rano e ! saingy tsy ny rehetra akory no jamban’ny vola sy ny voninahitra fa mbola misy ihany ny tena tia tanindrzana sy mikatsaka marina izay hahasoa ny vahoaka. Ka asakasak’ireo mbola handany andro mitady hirika hanilihana ny sasany ihany fa diavolan-ko lava, lalao mbola ho ela e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT