Miditra amin’ny herinandro fahatelo amin’ny propagandy isika amin’izao, izany hoe misasaka tsara ny fotoana ka mbola manana tapa-bolana ireo kandida hanaovana fampielezan-kevitra.
Samy manao propagandy ny ankamaroan’ireo kandida, saingy ny lentany no tsy mitovy. Ao ireo manovokovoka mafy, ao ireo manao ihany fa tsy dia mafy loatra satria samy manana paikadiny. Samy manana ny hoenti-manana rahateo io. Fa ny hitodihan’ny sain’ny maro ihany koa etsy an-daniny, dia ity fikotrehana fandravana ny rafi-panjakana sasany ity, ary ireo kandida filoham-pirenena maromaro ihany koa no mikotrika sy miketrika an’io noho ny fahitan’izy ireo fa tsy milamina intsony ity fikarakarana fifidianana ity, ary ahiana hikorontana noho ny tsy fifampatokisana intsony. Mandeha ny hoe ravao ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary hatsangano ny rafi-pitsarana manokana hitsara ny fifidianana. Mivoaka ny hoe: ravao any io governemanta io fa tsy atokisana satria mitanila. Tratran’izay ary efa niteraka resaka sy fanehoan-kevitra maro ihany koa ny CENI, izay voalaza fa misy olona tamin’ny tetezamita mandrafitra azy ao, ary mety hisy olon’ny kandida iray hafa na vitsivitsy. Tsy mahakosoka ny ahiahy ny fanomezan-tokin’ny CENI fa tsy hitanila fa hitantana am-pahitsiana ny fifidianana. Mipetraka amin’izay ny fanontaniana hoe: handroso sa hihemotra ihany ny fifidianana eo anatrehan’ny adihevitra maro ? Iaraha-manaiky fa tsy hisy ho afa-po 100% izany eto, saingy tsy azo hamaivanina ihany koa anefa ny lesoka. Inona izany no vahaolana ho avy eo ary ho vita anatin’ny tapa-bolana mialoha ny latsa-bato ve ? Sa roso ihany isika fa izay hipoahany any hirehetany ? Mifamahofaho ihany koa mantsy ny resaka sy ny feo fa adin’ny kanosa sy ny malemy tsy mahatoky valera ny an’ny sasany mikasa ny hanemotra fifidianana sy hanangana tetezamita ? Miandry izay hiseho fa Gasy e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.