Edito

Misy vahaolana foana io e !


  • Alakamisy 03 Desambra 2015

Tsy tonga teny amin’ny antenimieram-pirenena ny CENI omaly satria ny lalàna no mametraka fa tsy azon’izy ireo atao ny mihaona mivantana amina andrim-panjakana ka handray baiko na toromarika avy aminy noho ny maha rafitra mahaleotena azy ireo.

 


 Mitovy amin’ilay hoe tsy azon’ny filoham-pirenena atao ny mihaona mivantana amin’ny solombavambahoaka fa hafatra an-taratasy no alefany eny Tsimbazaza. Izay aloha ny lalàna misy eto dia izay ! Niteraka adihevitra be teny Tsimbazaza anefa izy ity ka voasoketa ho tsy vonona amin’ny fifampiresahana ny CENI . An-kilan’izay, depiote 25 monja amin’ny 151 no tonga nivory, izy ireo anefa no nampiantso ny fihaonana. Ekena mihitsy fa ilaina ny mifanakalo hevitra saingy tokony hahafantatra tsara ny lalàna misy sy manankery ny mpanao lalàna ary manaja izany amin’ny fotoana rehetra. Na izany aza, azo karohana ny fomba hafa hahafahana mifanakalo hevitra, fa tsy hoe rehefa tsy mety iny fihaonana iny dia hifanao vava be sy hifanome tsiny. Tokony haneho ohatra tsara ho an’ny vahoaka foana ny mpitondra na inona na inona rafitra sy toerana misy azy fa tsy sanatria manao adihevitra tahaka ny an’ny mpiady an-tsena sy ny mpitaingin-tamboho tsy manana anton’asa mazava. Io fahiratan-tsaina sy fahaiza-mitarika io matetika no tsy ampy amin’ireo manampahefana eto amintsika ka mampikatso ny asa fampandrosoana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT