Tsy mbola nisy herintaona niasana kosa ve izy dia mimenomenona sahady ianareo ?
Tahaka izany no firesaky ny mpomba ny filoha Andry Rajoelina amin’izao fotoana. Mamaly ny an-kilany sokajiana ho mpanohitra : ka izy nilokaloka nandritra ny propagandy hoe haingam-pandeha be ny TGV, tsy mila miandry 100 andro izany fa vao tonga eo amin’ny fitondrana dia jerena maika ny sosialim-bahoaka…Nisy tokoa aloha ny vary mora, menaka mora, siramamy mora. Nanjavona kely avy eo niverina indray. Nidina 100 ariary ny litatry ny solika, saingy miara-mahita ny isan-tokantrano na mpomba na mpanohitra ny fitondrana na manana fomba fijery hafa fa tena miha sahirana ny Malagasy. Mifamadibadika be foana ny resaka ataon’ny mpitondra, avy eo mahita laharam-pahamehana vaovao hafa indray, aorina ny Tanà-masoandro amina velarana 1000 Ha, avy eo lasa hoe 300 Ha. Resahana ny resaka trano mora fa mora hatrany amin’ny ohatrinona marina moa izy io ? Ho takatry ny sarambabem-bahoaka ve ? Ny resaka fiaraha-miasa amin’ny any ivelany sy ireo mpamatsy vola, mikatso. Ny masoivohon’i Madagasikara vaovao eo anivon’ny vondrona eoropeanina Jean Omer Beriziky dia nanambara mazava fa tapitra ilay “accord de Cotonou” ka mila averina resahana daholo ny fiaraha-miasa amin’ny Eoropeanina. Tsy vita vetivety izany famerenana ny fifampiresahana izany. Ny resaka fanendrena filohan’ny faritra tamin’ny fitondrana teo aloha efa tena niteraka resabe sy nampisy tsy fifampatokisana teo amin’ny mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka ary mafy be ny tsindry ny amin’ny hoe : ataovy ilay fifidianana filohan’ny faritra. Iny tsy vita akory, dia io fa nanendry governoram-paritra indray ny fitondrana, ary azo an-tsaina ny fitomboan’ny tsy fahatokisana amin’ny mpiara-miasa sy mpamatsy vola satria ny ampahany ihany no voatendry fa ahoana ny ambiny ? Sa tsy maika ve izany ny fampandrosoana ireo faritra hafa ? Ny loza dia mahafantatra tsara ny mpitondra fa olona voafidim-bahoaka no tsy maintsy mitantana ny kaominina sy ny faritra, izay vao manaiky hiresaka sy handinika ny fanampiana ireo mpamatsy vola fa dia mbola olom-boatendry ihany no napetraka. Sa tsy mila vola marina ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.