Edito

Misy tsy milamina e !


  • Sabotsy 20 Aogositra 2016

Ndeha atao hoe andrana fotsiny ihany ny hetsika nokasain’ny AFP notanterahana omaly zoma teny Analakely ka tsy tena mbola matotra tsara.

Nifanisa ny mpitandro ny filaminana sy ny olona nitangorongorona teny amin’ny araben’ny fahaleovantena sy ny manodidina azy. Raha tahaka izao foana no misy eto an-tanàna dia tsy hisy intsony angamba ny asan-jiolahy, hoy ireo mpitazana raha nahita ireto miaramila, zandary, polisy an-jatony nifamezivezy teny Analakely io omaly io. Zary lasa hanihany teny an-toerana mihitsy ny hoe tokony hisy hanao fihetsiketsehana isan’andro isam-pokontany dia vory lanona tahaka ireny foana ny mpitandro filaminana e ! Hita ho tena nirindra mihitsy ny fomba nanosehan’ny Emmoreg ireo olona nambara fa nitangorongorona na saika hanao fihetsiketsehana. Tsy nisangisangy ny fanjakana fa tena tonga niaraka tamin’ny angady sy harona tokoa ka vonona hanosika ireo rehetra mikasa hanao zavatra. Tsy tahaka izany anefa ny zava-misy any amin’ny faritra maro manerana ny nosy fa dia ny dahalo indray no miedinedina isam-bohitra. Zara raha ahitana zandary 2 ka hatramin’ny 8 any amina kaominina ambanivohitra, fantatra tsara izao fa efa faritra mena. Dahalo tsy latsaky ny 50 anefa no indray manafika. Misy tsy milamina eto ka ilana fandraisan’andraikitra. Sa aleo amin’izao ihany dia mba samy miafiafy amin’ny tsy rariny eto e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT