Edito

Misy tsy milamina e !


  • Alarobia 06 Janoary 2016

Ao anatin’ny fotoana mampisavorovoro ny eto an-drenivohitra momba ny fako, sy ny fihetsiketsehana fitakiana ny « iles éparses »


 ary taorian’ny nahavitan’ny fifidianana loholona ka nahazoan’ny antokon’ny fitondranany maro an’isa no mandefa iraka manokana eto Madagasikara ny vondrona afrikanina.Tonga mba hijery ny fizotry ny fametrahana ireo andrim-panjakana sy ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-tsosialy, politika ary toekarena, hono.Mbola misy resaka tondrozotra koa aza ; inoana fa tsy tongatonga ho azy izany fa misy antony manokana.Fikambanana iraisam-pirenena voalohany miahy antsika miaraka amin’ny SADC aty amin’ny kaontinanta misy antsika ny vondrona Afrikanina ary inoan’ny any ivelany teny amin’izay tatitra ataony.Efa tonga nifandimby nanadihady teto ny banky iraisam-pirenena, ny tahirim-bola iraisam-pirenena, manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha isan’andro ireo masoivoho vahiny misy eto ; mijery sy mihaino fotsiny izy ireo fa tsy misy miteny, any amin’ny fikatsoan’ny famatsiam-bola no ahafantarana fa tsy mahatoky izao fitondrana izao ireo mpiara-miombon’antoka, ary matoa mbola misy ny fitsirihana atao tahaka izao dia mbola misy ny tsy milamina izany e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT