Edito

Misy tarafiny ao


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Aoka izay ny fanomezam-bahana ny mpisoloky sy mpisalovana, hoy ilay mpahay tantara malaza izay, vao niandoha nanako io fikitihana ny rovan’Antananarivo sy fametrahana Colisée tao anatiny io.

 

 Namaly moa ny teo anivon’ny fitondram-panjakana tamin’izay fotoana izay hoe ny mozean’i Louvre aza nasiana Pyramide eo anoloany ho an-drizareo Frantsay. Rehefa amin’ny fotoana inona moa izany no faka tahaka ny any ivelany dia rehefa toy inona no ialokalofana amin’ny hoe fiandrianam-pirenena ny fandavana na sanatria mody fandavana izany? Tsetsatsetsa tsy aritra ireo manoloana ny zava-misy iainana anaty fiarahamonina ankehitriny. Inona tokoa moa izany izao no tena mibahan-toerana sy tsy mampandry fahalemana ary mampahantra eto amin’ity Madagasikara ity ankoatr’izay voalaza teo izay sy ny ao ambadiny rehetra? Fisolokiana, fisalovanana sy fisandohan’andraikitra, fifamonoana an-kolaka sy mivantana, fifanambakana sy fahalovana marobe hafa, moa ve tsy ahitana maro amin’ireo izay faritra aleha eto amin’ity nosy ity amin’izao fotoana izao? Somary nahatsikaiky nampalahelo ihany ny nahita ilay mpisoloky ho mpitandro filaminana iray voasambotra omaly. Raha ny vola voahangona nividianana ireny fanamiana nisandohana ireny ve, hoy ireo mpitazana, tsy efa nahavidy zavatra hafa nanaovana bizina madio? Saingy ny misandoka sy misoloky moa izany no takatry ny sainy ary inoana fa tsy tongatonga ho azy ny fihetsika mihanaka eto, indrindra eto an-drenivohitra, toy ireny fa misy tarafiny ao. Mahagaga ihany ny mahita karazan’olona heverina ho tia karokaroka toa maka ny toeran’ireo mpahay tantara sy mpahay vakoka ka sahy milaza fa fanao ny manavao izany atao hoe vakoka izany. Sambany teto ambonin’ny tany angamba no nahenoana filazana toy izany fa dia efa tontosa teto moa ilay izy ka enga anie mba tsy ho sanatria ho fanampin’ny fahafaham-baraka eto amin’ity firenena ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT