Tsy hita intsony izay atao fa dia sahirana ny Malagasy ary tsy mahatafavoaka ny baolina ny FAT. Izay no teny fohy mahafehy ny zava-misy ankehitriny.
Etsy ankilan’izay dia mbola mikiribiby ny FAT fa hoe mahavita mamaha ny krizy, hono, izy ireo. Tsy mety mahay mandray lesona mihitsy ireo milaza azy fa manampahefana amin’izao fotoana na dia efa maro ihany aza ireo fambara mipoitra etsy sy eroa, na dia ireo nivavaka tamin’ny FAT roa taona asa aza izay efa
Ny tena mahasorena ny olom-pirenena tsotra dia ny mahita ireo olona ambonimbony midehaka eran’ny tanàna amin’ny fiara lafo vidy, no sady efa be hatoka avokoa izy rehetra, hita mihitsy hoe miadana satria misy ny vola ; ny trano sy «villa» amin’izany miroborobo fatratra ny fanorenana azy ary rehefa anontaniana sy hadihadiana ireo orinasa mpanao trano dia manamafy fa olona ambony avokoa no tompon’izy ireny ary tsy miandriandry izany mihitsy ny asa fa ezahana atao haingana. Misy tsinona ny vola ka ! Ary ny mahagaga na dia efa nisy fanambarana ofisialy tamin’ny filankevitry ny minisitra aza ny amin’ny hifehezana ny vola mivoaka dia mbola maro ihany ireo mpikambana ao amn’ny governemanta sy ny olona ambony no manao fitsidiham-paritra manararaotra izao andro iraisam-pirenena isan-karazany izao. Ny asa vita ny propagandy mandeha ihany no sady afaka mifaly miaraka amin’ny akama, misy tsinona ny vola ka ! Fa ahoana kosa ny vahoaka fahanan-dalitra isan’andro ? Omena fampanantenana poakaty ? Hanamboarana hopitaly manara-penitra satria azo antoka fa tsy ho salama atsy ho atsy ? Adinodino indray izao ny resaka dahalo mpangalatra omby, fa ny trafikana boaderôzy indray no mahoraka, mihena ny fahaizan’ny zaza malagasy, mitombo ny tsy an’asa. Dia mbola sahy miteny ihany ny FAT fa mety ny fiainana, hatao ny fifidianana na manaiky na tsia ny avy any ivelany, misy tsinona ny vola ka !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.