Nandresy sy nanoratra tantara goavana eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra aty
Afrika ny Barea miatrika ny CHAN 2025. Betsaka ny lesona azo tsoahina ao anatin’io : mila ezaka sy finiavana, herintsaina, herim-batana, firaisam-po sy firaisan-tsaina, fahavonona sy fananana finoana fa afaka manao zavatra lehibe,…. Zava-poana ny finoana tsy arahin’asa, ary tsy matsiro ny fandresena tsy nisy nisy ady sy fikirizana. Sarobidy ny fandresena madio rano vokatry ny ezaka lehibe avy amin’ny tsirairay. Midika izany, fa tsy misy fandresena azo fahatany, fa mila ezaka, ary tena tsapa ny lanjany rehefa tratra ny tanjona iray, izay manosika hanao tsara kokoa hatrany hahatrarana ny tanjona manaraka. Faly sy miray fo amin’ny ekipam-pirenena ny vahoaka Malagasy, tsy misy fifanentanana be na antsoantso isam-pokontany fa mipololotra avy hatrany ilay fitiavana sy fifaliana. Irariana araka izany ny hibatana fandresena miezinezina indray amin’ny famaranana mba hampitombo hatrany ny fientanana sy ny fanohanana. Asa rahoviana no mba hisy endrika tahaka izao amin’ny fitantanana Firenena ? Hatreto mantsy : fifidianana feno halatra, fandresena tsy misy maminy sy lanjany, fanohanana vidiam-bola, fanangonana olona amin’ny zavatra bojo,… Tena samihafa ny fandresena sy ny saritsarim-pandresena, samihafa ny tena tiam-bahoaka sy ny misoro-tena ho mamim-bahoaka,… Tena mijoro amin-kitsim-po ny olona rehefa mahita sy mahatsapa fa misy ny ezaka sy ny finiavana, fa tsy serasera sy fanodinkodinana saim-bahoaka. Tena mifoha io Malagasy io ary mahafoy tena ho an’ny zavatra iray ankafiziny tsy mila entanina akory. Mbola lesona goavana azo raisina amin’io ny fananana paikady sy rindran-damina mipetrapetraka hahafahana mibata fandresena, dia tahaka izany ihany koa ny fitantanana Firenena hoe : mila fiomanana, mila fahaiza-manao, mila paikady,… fa tsy tenintenenim-poana fa afaka 6 volana tsy hisy delestazy intsony araka ilay nolazaina 3 taona lasa tany Andekaleka kanefa herinaratra mba alefa 120 minitra tsy misy fahatapahana aza tsy vita omaly. Mba makà lesona amin’ny Barea, fa tsy lany andro amin’ny balarora sy ny kisehoseho ivelany, hany ka ny tena maika sy aim-bahoaka tsy hita izay miangana e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.