Edito

Misy miketrika


  • Alakamisy 07 Janoary 2016

Asa aloha izay tena mitranga ao ambonimbony ao fa raha ny fahitana azy ety ivelany fotsiny dia tena misy ny zavatra tsy milamina e


; miverina indray mantsy ilay fivoriana etsy sy eroa ataona manampahefana, mpanao politika ; eny re aza fa misy miaramila ihany koa manomboka mihaona matetika.Tsy resaka fety na fitsangatsanganana no atao mandritra ireny fivoriana tsy ofisialy na miafina ireny fa zavatra hafa mihitsy, azo tombanana fa resaka politika sy manodidina ny raharaham-pirenena.Tsotra ny zava-misy raha fintinina :tena leon’ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-tsezan’ny mpitondra misy ankehitriny ny vondrona sy sokajin’olona maro ka manomboka mifanakalo hevitra, mampivondrona ny hery ary mikaroka izay zavatra tokony ho atao.Tsy fantatra mazava aloha izay tena tanjon’ireto mivorivory etsy sy eroa ireto saingy ny hanymaharesy lahatra kosa dia isy ketrika ao.Fanontaniana manitikitika fotsiny ny hoe :ketrika hanova zavatra sy hamaha olana tokoa ve ilay izy sa sanatria ketrika hanakorontana ka hampitombo indray ny fahoriana efa misy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT