Edito

Misy mihaino ve ?


  • Talata 15 Mey 2012

Mba mety hahatonga saina ny mpanao politika ve ny hafatry ny FFKM nivoaka ny zoma lasa teo, sa dia sanatria tahaka ny rano araraka amin'ny lamosin-gisa fotsiny ?

 Mahitsy ny zavatra voasoratra tao anatin'io fanambarana io, miantso ny rehetra mba handinika sy handefitra ary hihavana, manakiana ny fampiasan-kery diso tafahoatra ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ny fanenjehana sy fisamborana ny olona maneho hevitra na manohitra ny fitondrana. Ela tsy nitenenana ny FFKM, ka inoana fa efa tena voalanjalanja tsara ireny fanambarana ireny, ary nialoavana fanadihadiana ; sarotra kosa aloha ny hino fa hoe mitanila amin'ny ankolafy izatsy na izaroa ny FFKM, araka ny vaovao ezahana aparitaka amin'izao fotoana. Fanambarana ny zava-misy no nataon'izy ireo, ary azo antoka fa efa nandinika lalana ireo hevitra nangonin'ny SEFIP ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy vao nanapa-kevitra ny hamoaka fanambarana iombonana. Mba nisy nihaino, mba nisy nandre ve izy ireo, sa dia nanao kabary an-tany efitra, araka ny fomba fiteny fotsiny ? Toa mba maro ihany anefa ireo niantso sy niangavy ny FFKM hanelanelana amin'ity krizy ity, antso avo ho amin'ny fandinihan-tena sy fahatongavan-tsaina ho an'ny tsirairay aloha, no nanombohany an'izany, koa dia andrasana indray izay ho fihetsiky ny mpitondra sy ny mpanao politika, hoe mpihaino mandray lesona ve sa mpihaino...mpanadino !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT