Edito

Misy mihaino ve ?


  • Zoma 06 Janoary 2012

Raha dinihana amin’ny saina tsy miangatra sy fo tony, efa halohalika ny ranom-bary ho an’ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina.

 Hoy ny fitenenana iray izay hoe : “tsy misy jamba mihoatra ireo izay minia mikipy !” Efa ho iray volana izao no mikatona ny fitsarana manerana an’i Madagasikara, izany hoe azo ambara mihitsy fa tsy misy fahefana mpitsara intsony eto aloha amin’izao fotoana. Ary raha ny fahitana ny fizotry ny famahana ny olana dia tsy ho ato ho ato mihitsy no hiverina hiasa ny mpitsara. Tsy dia nahoraka firy satria takon’ny vaovao politika ny fitokonan’ireo mpiasa mpanatanteraka ao amin’ny IGE na Inspection Générale de l’Etat. Efa iray volana mahery koa izao ny olana ao, kanefa sampandraharaha manana toerana goavana amin’ny fanaraha-maso ny fampiasana ny volam-panjakana izy io.

Ny ao amin’ny foloalindahy moa dia tezitra ny maro noho ny fanomezana tombontsoa ny vitsy, ary hita fa tena diso paik’ady politika mihitsy ny filohan’ny tetezamita tamin’ny nanondrotana galona ireo manamboninahitra sasantsasany nanohana azy tamin’ny 2009 ka hatramin’izao. Hoy ny be vazivazy izay hoe : mety tsy mbola tonga tao an-tsain’Atoa Andry Rajoelina mihitsy angamba ilay ohabolan’ny Ntaolo manao hoe : «aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka» ! Vao miha nanaratsy endrika azy ihany koa ny tsy nijanonany teto an-tanindrazana tamin’ny faran’ny taona teo fa nandehanana tany ivelany. Tsy mahagaga raha niteraka resa-be ny dia ary dia namono afo andro fety sisa no hany azon’ny tao Ambohitsorohitra natao. Ny sendikan’ny mpampianatra mikaroka izay nivory omaly moa dia nanamafy fa mitohy ny fitokonana.

Manampy izay dia re koa izao fa hanatanteraka fivoriambe etsy Mahamasina ny mpanao gazety rahampitso sabotsy, satria efa tena tafahoatra loatra ny tsindrihazolena mihatra amin’izy ireo, be loatra ny fandrahonana avy amin’ny manampahefana, ary tsapa fa tena misy ny finiavan’ny mpitondra haneritery ny asa fanaovan-gazety. Tsy tafakatra teo amin’ny fitondrana anefa Atoa Andry Rajoelina raha tsy nampiasa araka ny nitiavany azy, ny orinasan-tseraserany sy ireo mpanao gazety niara-dia taminy tamin’izany fotoana, izay toa efa lasa fahavalony ankehitriny. Hatramin’izao ihany koa dia tsy mbola nisy famatsiam-bola avy any ivelany azon’i Madagasikara, ankoatra ny fiahiana ny lafiny sosialy izay nitohy foana moa. Miha marefo araka izany ny kitapom-bolam-panjakana ary hita amin’izay ny voka-dratsin’ny krizy. Halohalika ny ranom-bary. Inona ary ny vahaolana tena mahomby fa tsy kabary fotsiny ? Io mantsy dia samy mahay manao kabary fa any amin’ny asa no mampiavaka ny tsirairay. Efa nampanantena ny Malagasy i Andry Rajoelina tamin’ny jona 2009, janoary 2010, jona 2010, novambra 2010, janoary 2011 ary jona 2011 fa hivoaka amin’ny krizy amin’izay isika. Ho hita eo indray ny hambarany amin’ity janoary 2012 ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT