Edito

Misy mihaino ve ?


  • Sabotsy 18 Martsa 2017

Marina fa hoe mila fanampiana isika fa na izany aza mba tokony hanana ny maha izy azy ihany kosa e ! Izay karazam-bazaha rehetra izao ve dia hibaiko antsika eto daholo na ny fomba fiasa na ny fiteny …dia hiova avokoa.

Koa dieny tsy tara, diniho tsara ihany aloha izay atao. Efa tena latsaka an-katerena mafy ireo ray aman-dreny matoa nampiasa anareo roa. Tsy mora mihitsy ny fifankahitana voalohany na inona na inona ambara, saingy efa izay aloha ilay fiainana dia izay izany..Na inona na inona zava-mitranga, tokony ho efa ao anatin’ny sain’ny tsirairray kosa ny fanajana ny tsiambaratelo e ! Rehefa tsy miaro sy tsy manaja izany ny tsirairay dia maivana be ny mandrodana ny rafitra misy, Manahirana mihitsy aza fa mety ny samy mpinamana tena akaiky na mpihavana no mifanolana satria samy hafa ny antso. Goavana noho izany ny ezaka takiana amin’ireo mihevitra fa hitantana firenena atsy ho atsy, goavambe ny tanjona fa asa raha misy mihaino ihany isika na ..miresaka amin’ny rivotra e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT