Edito

Misy mihaino?


  • Alarobia 10 Janoary 2024

Fitenin’ny tanora ankehitriny moa ny hoe “manala”.

Manala” izay midika hoe “mivazivazy”, “misomongamonga”, matetika toa vazivazy zary tenany koa anefa. Isan’ny fanalana teo aloha teo, atao hoe 10 taona lasa izay, ny fitenenana hoe “Misy mihaino?”. Fanontaniana toa mamazivazy nefa indraindray manadroadro ny olona iray na maromaro tsy mba henoina eo amin’ny fiarahamonina koa izy io. Raha mahita ireo fakobe misavovona eto Antananarivo na koa ao Toliara ao izany isika ankehitriny dia samy mamisavisa ireo tomponandraikitra voalohany amin’ireo tanàn-dehibe miisa 2 ireo fa mety maro amin’izy ireo angamba izany izao no milaza any amin’ny misy azy ireo any ho any hoe “misy mihaino?”. Toy izany koa ireo rano miakatra etsy sy eroa tao anatin’ireny andro ratsy ireny. Iza daholo angamba, hoy isika, izao izany ireo tomponandraikitra niteny tamin’ireny fotoana ireny hoe “misy mihaino?”? Vazivazy zarintenany ihany anefa, hoy isika, tany am-boalohany fa rehefa mahita ny zava-misy anefa dia tena matotra ankehitriny ny fanontaniana hoe mba misy mihaino ihany tokoa ve ity hetahetam-bahoaka nilokalokan’ireo olom-boafidy eto amintsika sy efa nolazain’izy ireo fa efa fantany rahateo ity? Fa naninona moa no nosakanana ilay mpanao politika tonga nanatitra fako tery amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo tery nefa ny vavan’ny ben’ny tanàna mihitsy fony mbola nampiely hevitra no namerimberina hoe atero any amiko ny fako raha tsy voaraoka? Mba misy mihaino, tena mihaino ve ny mikasika ny olan’ny JIRAMA? Misy mihaino ve ny olana ateraky ny fidangan’ny vidim-piainana sy fitotongan’ny Ariary na ireo mpandraharaha ara-pitateram-bahoaka izay efa sady fatra-pampijaly mpandeha no mbola manambana hampiakatra saran-dalana indray? Ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny rehetra manginy fotsiny. Misy mihaino?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT