Edito

Misy mihaino ?


  • Alakamisy 02 Martsa 2017

Misy mihaino ? Ela izay no tsy nahenoana io fitenin-jatovo nalaza tamin’ny tetezamita farany teo io.

Raha ny fihetsiky ny vahoaka amin’izao fotoana izao manoloana ny antso avo ataon’ny antoko mpanohitra izay manentana hoe « andao handray andraikitra » anefa dia hita kosa fa mamaly hoe « misy mihaino ? », farafahakeliny, ny 90%-n’ireo mponina, raha tsy hiresaka ny eto Iarivo fotsiny. Mila mametra-panontaniana amin’ny tenany ny mpanao politika toy ny hoe : fa maninona aho na izahay no tsy mahasarika olona ? Mahalala ny andraikiny tokoa ve ireto vahoaka sarihiko ireto ? Efa vitako ve ny adidiko ny amin’ny fampahafantarana ireto vahoaka ireto izay andraikitra tandrify azy izay ? Mila paikady vaovao mihitsy ny mpanao politika, araka izany, na mpanohitra io na ao anaty fitondrana raha tiany ny hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka azy. In-4 nandrodana fanjakana tamin’ny alalan’ilay hoe demokrasia mivantana tao anaty 50 tokoa isika saingy nahatsiaro voafitaka matetika loatra ireo vahoaka. Tsy rariny kosa ve izy raha mba hiala sasatra kely ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT