Edito

Misy mihaino ?


  • Talata 06 Septambra 2016

Fitarainana atsy, fitakiana aroa, moa va misy mihaino ? Efa dila izay ny 2 taona sy tapany nisian’ity fitondrana ity kanefa dia tsy mitsaha-mitombo ireo karazam-pimenomenomana avy amina vondrona, olon-tsotra,

fikambanana sy sendika ary antoko politika samihafa mitabataba fa tsy miaina ara-dalàna noho ny afitsok’izao fitondrana mijoro izao. Na ireo mba naniry ny tsy hitsikera azy aza moa ity tsy naharitra intsony ary niaiky fa tsy rariny ny zava-misy ataon’ny fitondrana mijoro ankehitriny. Vao andro vitsy no norarana mba tsy hampiditra mpangalatra ao an-trano kanefa toy ny mpamosavy malemy indray ity no sary hita ka ny ao an-trano ihany no haripaka. Mandeha ny fiangaviana, ny fangatahana, nilela-paladia sisa tsy natao fa dia mbola mitombina hatrany ny fanontaniana hoe misy mihaino ? Asa, izay tokoa angamba no efa raiki-tapisaka ao an-doha hoe haninona eo anefa ireo ? Rehefa reraka ve tsy hangina ? Ny zavatra tsikaritra aloha dia zaran’ireo vahiny aza mijanona eto satria mahazo vahana lavitra izy ireo raha mihoatra ny mihary any amin’ny taniny. Azy rahateo, hoy ireo manampahaizana, ny 99%-n’ny harentsika. Dia  tsy mbola ho tonga saina ihany ve hoe ilaina ovana haingana ny fomba fitantanana ny firenena ? Ny firenena niara-dia tamintsika anie izao efa mahavita halaviran-dalana 100 kilaometatra isan’ora e ! Ny antsika ity 100 metatra ihany nefa samy mahazo vatsin-dalana izao ihany !

Faralahimatoa                                          

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT