Edito

Misy manakorontana indray ?


  • Zoma 08 Mey 2015

Mihazakazaka indray ny toe-draharaham-pirenena taorian’ny fahavitan’ilay dinika momba ny fampihavanana teny Ivato. Nanangam-bovona voalohany ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena, nanara-dia azy ireo ny

 solombavambahoaka izay niray feo fa hoe misisika ho fanaovana tsinontsinona ny vahoaka, hono, ny fandravana ny antenimieram-pirenena, araka ny tolo-kevitra nivoaka teny Ivato. Avy eo manaboribory resaka fotsiny ny mpitondra fanjakana sasany milaza fa tsy voatery hanatanteraka izay tinapaka teny Ivato ny filoham-pirenena, na dia hita ihany aza fa efa tongotra mby an-dakana amin’ny fanovana goavana ity farany. Mifanindran-dalana amin’izay dia mbola misy ihany ireo nanangana ankolafy iray mitokana mihitsy mba hanakiana fotsiny an’Atoa Marc Ravalomanana na dia efa fantatra tsara izao aza fa miroso amin’ny fampihavanam-pirenena i Madagasikara. Nahoana no mbola mandany andro amin’ny fihantsiana ihany ? Ireo izay mamakafaka tsara ny raharaham-pirenena dia mahafantatra ireo tsy faly amin’ny hilaminan’i Madagasikara, ary ireo tena vonona hanavotra ny firenena. Maro ny mpanao politika manao ho anton’asa ny fanakorontanana sy ny famadibadihana palitao mba hahazoany toerana sy vola ary voninahitra, koa satrin’izy ireo hikorontana foana eto ary hifandrafy foana ny samy malagasy. Mila fitandremana izany ary tokony ho mailo ny vahoaka mba tsy horebireben’ireo mpikarama an’ady politika ireo.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT