Misy fetrany ny hery sy fahefana !

Olana hatrany ho an’ny ankamaroan’ireo mpitondra teto Madagasikara ny


  • Zoma 24 Mey 2024

fiheverana fa tsy refesi-mandidy sy afaka manao izay tiana hatao rehefa mahazo faka eo amin’ny fitondrana.

Vao mainka mitombo ny fanjakazakana sy ny fiheveran-tena ho andriamanjakan’i Madagasikara, ka tena manao izay tiana hatao sy mihantsy ny hafa mihitsy aza. Dia io iaraha-mahita io, fa arakaraka ny fisian’ny kihana sy fanamelohana samihafa ataon’ny fanoherana eo anatrehan’ny fahitana tsy fanarahan-dalàna no vao mainka hampiakaran’ny andaniny ny daozin’ny setrasetrany. Mahatoky mantsy izy fa eo am-pelantanany na azony baikoana na fantany fa hiaro azy ny rafitra aty amin’ny tendrom-pitsarana misahana ny fifidianana ; matoky tena izy satria eo an-damosiny ny tafika ; mirehareha izy fa azy ny fahefana sy ny vola,… Mieritreritra ny mpitondra fa arakaraka ny fijanonany ela eo no vao mainka maha mafy orina azy, raha toa ka ny mifanohitra amin’izany no mitranga raha tarafina amin’ny toe-draharaha politika sy ny olana ara-tsosialy mitranga. Ilaina ampahatsiahivina ve lany tamin’ny isam-bato 99% teo ny Filoha Tsiranana ny faran’ny taona 1971 fa niongana ny tapaky taona 1972 ; adino ve fa nanana 21 taona niorenam-paka teo ary tena nahafehy ny tafika ny Filoha Itompokolahy Didier Ratsiraka tamin’ny fotoan’androny fa niongotra ? Nisy nieritreritra ve hiongana ny Filoha teo aloha Ravalomanana izay tena tao anatin’ny heriny sy tanjany fa ireny niaraha-nahita ireny ny 2009 ? Dia isika rehetra no hiara-hahita ny tohin’ny tantara eto fa sahia ho ela velona !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT