ambonin’ity tany ity, eny, fa na ity tany ity mihitsy aza,
hoy ireo boky masina amin’ireo finoana samihafa dia misy fetrany ihany koa! Tsy misy izay tsy mandalo izay hitan’ny masontsika eto ary aorian’izay fetra izay dia na ilay voafetra hiaina fiainam-baovao na hiharana fitsaràna sy sazy. Na ara-baiboly na ara-pandinihana ara-piarahamonina izany dia izay foana no voalaza fa tsy maintsy ho fizotran’ny fiainan’io zanak’olombelona io ary, araka izany, dia tsy maintsy samy ho tsaraina amin’izay nataony ny rehetra. Iza no hanasazy an’iza na hanafay an’iza? Ny fitsaràna ve? Ny vahoaka ve? Ny tody ve? Ny lanitra ve? Mivaly ho azy eny an-dalana eny foana izany fanontaniana rehetra izany fa raha ny hita tamin’ny tantaram-pirenena aloha izany, hatramin’ny repoblika voalohany noho nankaty, dia isan’ny nitsara foana ny tantara. Samy notsarain’ny tantara ireo mpitondra nandalo. Maro ireo voatery tsy maintsy nialoka tany am-pitan-dranomasina tany ary misy aza moa mbola any. Misy na nisy fanenjehana ara-pitsaràna azy ireo eto na teto an-toerana ve no antony? Matahotra lonilonim-piarahamonina na hatezeram-bahoaka ve? Mety hoe mba mahalala menatra tamin’ny ampihimamba vitany teto amin’ny firenena ity koa ve? Tsy voatery ho antony ratsy koa anefa fa andeha heverina koa, ohatra, hoe ho fiarovàn’ny mpiray tanindrazana aminy ny ainy noho izy sahy mamotsipotsitra lalina ny tena marina rehetra mahatonga izao fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena ankehitriny izao. Mety mbola hisy afera tsy mazava hitsikafona ankoatran’ny volamena nivadika vy tao amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany tamin’ny fotoana nitantanan’ny praiminisitra ankehitriny azy ve atsy ho atsy, ohatra? Mety mbola hisy hafa ankoatran’ny raharaha «Bonbon sucette», «Paniers Garnis», «Ecran plat», andramena, voamboana, vy tao Soalala, volamena 73,5kg na 48kg, io indray izao ny «Boeing 777» sy Base Toliara; ankoatran’ireo maro hafa mbola tsy voatanisa. Aiza ny mangarahara mikasika ny nitantanana ilay 900 tapitrisa Euro mahery tamin’ny COVID 19, ohatra? Fa maninona ny Kianja Barea no efa nandaniana 77 tapitrisa Dolara mahery nefa tsy mety mahazo fankatoavana lava, mba tsy hilazàna hoe tsy mety manara-penitra lava? Mandra-pahoviana ny volam-bahoaka no lanilaniana lava amin’ny werawera sy fomba tsy mangarahara rehetra io? Na tiantsika na tsia, tsy maintsy misy fetrany izany rehetra izany saingy ny fanontaniana manitikitika ny rehetra dia hoe rahoviana ary iza no mba hanam-piniavana hametra ireo tsy fahaiza-mitantana na tsy fanjariana rehetra eto amin’ity firenena ity!?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.