Edito

Misy fetrany


  • Zoma 25 Novambra 2022

Nahoraka omaly ny fanemorana, mba tsy hilazana hoe fanafoanana, ny fanolorana eo anoloan’ny fitsarana ny raharaha Ketakandriana Rafitoson,

 izay tale mpanatanteraky ny Transparency international. Isan’ny fanontaniana zary fanesoana ireo mpanapa-kevitra izany mihitsy moa ny hoe fa naninona no nofoanana ilay izy? Iza no niteny an’izany? Porofo iray goavana ireny fa na hiteny aza ny mpitondra hoe izahay aloha no mitondra dia misy fetrany ihany kay ny fahefany. Eny, efa fantatra ela tokoa fa misy fetrany io saingy ny nahagaga dia toa nanoloana iny tranga iny avokoa no hita ho tena nahabe ny nametraka izay fanontaniana izay hoe hay ve misy fetrany izy ity? Iaraha-mahalala fa fetra ny mbola tsy nahasahiana nanadihady ilay teratany vahiny nambaran’ny mpampaneno lakolosy ho mpamatsy fitaovam-piadiana teto amin’ny firenena na dia efa voaporofo vao tsy ela aza fa misy izany. Ilay mpampaneno lakolosy indray no nadoboka am-ponja sy tsy mivoaka any hatramin’izao nefa nihevitra ny hanampy ny fitondram-panjakana tamin’ny toroka nataony. Fetra ny tsy fahafahana manodina araka ny tokony ho izy no orinasa mpamokatra menaka mavesatra na hangovo azo avaozina hafa hamahana ity delestazy ity. Fetran’izao fitondrana izao koa ny tsy fahafehezana ireo mpiara-mitantana amin’ilay antsoin’ny tanora hoe migarigany manao zava-mamoha henatra na “scandale” manaratsy endrika ilay firenena manontolo mihitsy fa tsy ilay fitondrana fotsiny. Na depiote io na minisitra na governora, rehefa mpitondra tao anatin’izay 4 taona izay dia niarahantsika mianakavy nahita fa nisy nanao izany daholo. Mbola fetran’izao fitondrana izao ihany koa mazava ho azy, ary iny no tena goavana, ny tsy fitanany ny fampanantenany sy ny teny nomeny toy ny mahakasika ireo nosy manodidina, ny fampandrosoana ny fiainam-bahoaka, ny fandriampahalemana, eny, hatramin’ny zavatra heverina ho bitika nefa manan-danja amin’ny maro ao anatin’izao fahantrana nihombo tao anatin’ny 4 taona izao dia ny fandefasana ity amboara eran-tany amin’ny baolina kitra ity izany. Hita ho misy fetra maro azo ihoarana sy tokony ihoarana ihany anefa fa dia mahagaga hoe maninona no hileferana sy avela hampidaraboka ny firenena toy izao? Hisy fampandrosoana ao anatin’ny hakanosana na fetra tafahoatra toy izany tokoa ve sa tena rainitetaka, araka ny voambolana nalaza omaly tokoa?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT