Edito

Misy fetra ny fandeferana


  • Alakamisy 16 Oktobra 2014

Mahasadaikatra ny fihetsiky ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ny toe-draharaha eto Madagasikara, indrindra fa ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny tondrozotra nosoniavin’ireo vondrona politika 10 ary neken’ny sehatra iraisam-pirenena anefa no nanambara tao amin’ny andininy faha-20 fa afaka mody an-kalalahana eto Madagasikara ity filoha teo aloha ity

. Nanaiky nilefitra nandritra ny 2 taona sy tapany ingahy Ravalomanana sy ireo malagasy maro be mbola miandrandra azy hanavotra ny firenena. Na ny fitondrana tetezamita na ny fitondrana vaovao nijoro taorian’ny fifidianana na ny sehatra iraisam-pirenena, tompon-kevitra tamin’ny tondrozotra sy ilay fifidianana anefa dia samy nody fanina tamin’ny fodian’ity filoha teo aloha ity teto Madagasikara. Fandrirarirana no betsaka, fanomezan-toky mipoapoaka, fampanantenana isaky ny mihetsika fa tsy nety tafiditra teto Madagasikara ihany i Dada. Vita ny fifidianana, nilamina, tsy nisy fifamonoana tahaka ny mahazatra tany Afrika, tsy mbola navela niditra teto ihany anefa i Dada. Misy fetrany ihany ny fandeferana, koa dia nikaroka hevitra mba hahatongavany teto izy, hevitra izay azo antoka fa fantatry ny sehatra iraisam-pirenena tsara, saingy mody fanina hatrany izy ireo. Dia indro fa mivoaka indray ny fanambarana diplaomatika, manaboribory resaka sy manome rariny hatrany ny mpitondra. Tsy azo ekena ny fanimbazimbana ny hasin’ny maha malagasy antsika, hoy Atoa Marc Ravalomanana teny Faravohitra raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ny alatsinainy lasa teo. Misy antony goavana izay teny izay satria tena misy mihitsy ireo mitady hanimba ny sain’ny Malagasy. Tsy fotoanan’ny fanjanahantany intsony anefa izao ary adidin’ny Malagasy ihany koa ny mijoro manohitra ny teti-dratsy ketrehan’ny sasany any ambadibadika any mba hametsena hatrany ny Malagasy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT