Edito

Misy fetra


  • Talata 13 Oktobra 2020

Misy fetra ary tsy misy natao haharitra avokoa ny zava-drehetra hary eto amin’ity tany fandalovana ity.

 

 

 Na ny tany aza mety ho rava, hoy ny finoana maro. Ny mahery tsy maody tsy ela velona, hoy ny fahendrena Malagasy, ary tsy fomba fijery tongatonga ho azy akory ireny rehetra ireny fa vokatry ny traikefan’ireo Ntaolon-drazantsika. Vazivazy fandre tato anatin’ny 10 taona moa ary heno matetika indray izy tato ho ato hoe maninona ny fiantsoana ny filoham-pirenena Malagasy raha avadika ho amperora satria ny fiantsoana ireo lehiben’ny faritra efa nosoloina ho governora? Maninona ihany koa ity fifidianana loholona izay hita ho manana endrika mandeha ila ity raha hajanona avy hatrany fa tonga dia tendrena ireo tian’izao fitondrana izao hiakatra ao amin’ny lapa maitson’Anosikely ao? Vazivazy zaritenany mety mifono zavatra maro, araky ny fanahian’ireo mpamakafaka sasany hivadika ho fitraorana faobe izany. Tsy kolontsaina Malagasy rahateo, raha ny fahitan’ireo mpandinika azy ilay hoe manaiky matoa tsy miteny. Ny toetrany dia tena mifanohitra amin’izany ary izay mpitondra tsy nahay namindra teto dia niaraha-natsiaro fa niharan’ny atao hoe “tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany”. Na eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao koa aza dia mahalala tsara ireo maharaka ny tantara fa mpanjaka no niongana voalohany teto amin’ity tany ity ka nahafahan’ny tandrefana nanaparitaka manerana izao tontolo izao ny atao hoe demokrasia. Efa nisy izany hoe filoham-pirenena izany mihitsy aza tany Zaira tany no niofo ho amperora saingy nalaza ho vitan-dry “renimalala” ihany no nanala azy tamin’ny toerana rehefa niakatra teo amin’ny fitondrana frantsay, ny filoham-pirenena, François Mitterrand. Entina ilazana izany rehetra izany fa tsy nisy soa nentin’ireny rehetra ireny saingy raha ny zava-misy eto amin’ny firenena manomboka any amin’ny tontolo politika ka hatrany amin’ny serasera ankehitriny anefa dia mampanahy ihany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT