Edito

Misy farany ny zava-drehetra !


  • Alarobia 07 Martsa 2012

Eny rehetra eny dia mandeha ny adihevitra. Mifampanontany ny olon-tsotra hoe mbola mahita tory ihany ve amin’ny alina, ny filohan’ny tetezamita sy ireo manampahefana tena akaiky azy, ka namboly ny krizy tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana, telo taona lasa izay ?

 Toky sy fampanantenana amin’ny taniny no natao tamin’ny vahoaka teny Ambohijatovo sy teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Tahaka ny very an-javony fotsiny anefa izy ireny, fa dia ny vidim-piainana no niakatra haingana dia haingana. Toa mba efa nosakanana tsy hiverina eto Madagasikara ihany ny nambara fa loharanon’ny fahorian’ny Malagasy, nampidirina am-ponja ireo rehetra mety hanelingelina, nomena toerana daholo ny akama sy ny olom-pantatra, eny fa na hatramin’ny fahavalo fahiny aza. Natao daholo izao karazana paikady sy tetika rehetra izao, na teto an-toerana na tany ivelany, nanampy teny foana i Frantsa renimalala. Saingy izao mangidy dia mangidy izao, no vokany.

Kely sisa dia tsy misy afa tsy gonin-tsaribao iray no azon’ny karama farany ambany. Nampikorontana tanteraka ny fiainana teto Madagasikara ny fanonganam-panjakana, satria tsy nahavita azy ny FAT fa variana nanenjika sy nanagadra ny mpifanandrina taminy, mety variana nameno paosy koa angamba. Nopotehana ny Tiko sy izay zavatra misy fofompofona Ravalomanana. Faly sy nahazo aina ery, ireo mpandraharaha Frantsay sy Karana miaraka amin’ireo Malagasy vazaha taratasy sy mpiaro ny tombontsoan’ny mpanjanaka hatramin’izay, fa afaka mibizina malalaka sy mitrandraka tsara ny harena rehetra eto izy ireo, manao izay tiany, satria tsy eo intsony ilay filoham-pirenena mahitsy fitenenana sy sahy mifanandrina amin’izay rehetra mifanatrika aminy, ka hitany fa mitady hanambaka tsotra izao ny Malagasy.

Miady an-trano ireo milaza azy fa manampahefana sy manana tetikasa hanavotana an’i Madagasikara, tsy fantatra mazava intsony izay tompon’andraikitra. Ao anatin’ny sangodim-panina tanteraka isika, ary mitombina ihany ilay tenin’ny be vazivazy manao hoe : «tena domelin’ny fitondran-dRajoelina ny olona…». Domelina ny olona ary efa mitombo isa isan’andro ireo sosotra sy tezitra, kely sisa dia fipoahana ara-tsosialy ary mety hifamono an-toerana eto ihany isika mianakavy rehefa miha maro ny noana sy tsy manam-bola ary tsy manana trano hisitrihana. Maro no mahita fa karazana fanova-maso sy fampandriana adrisa ihany, no nataon’i Andry Rajoelina sy ny ekipany tamin’ny Malagasy, saingy miha mipoitra ny marina rehetra, telo taona aty aoriana. Tena misy farany tokoa ny zava-drehetra e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT