Mbola manana ny fiandrianany ihany ve ity Madagasikara ity no any an-tanin’olona ilay Filoha no milaza voka-pifidianana araka ny heviny sy ny kajikajy tsy miraharaha izay andrim-panjakana mahefa misahana ny fifidianana any?
Mbola manan-danja aminy ihany ve izany vahoaka andriamanjaka no any amin’ny vahiny no mirehareha sy milaza sy toa manatsantso ny Malagasy fa tsy dia mahakasika ny vahoaka izany fifidianana solombavambahoaka izany ka izay no naha ambany dia ambany ny taham-pandraisana anjara? Mafy izany te hahazo vola sy fitokisana izany ka mahavatra miezaka manadio tena sy mandresy lahatra fa tena milamina sy azo itokiasana ary tsy miozongozona ny fahefam-panjakana. Ambany ny taham-pandraisana anjara satria kivy sahady amin’ny nafitsoky ny mpitondra ny vahoaka, tofoka sy malailaifonosona fa tsy ny safidiny no zava-dehibe amin’ny fifidianana, fa izay kajikajy politika. Baomba miotrika ao ambany sezan’ny filoha sy ekipany ny fahakiviana sy fahasosoran’ny maro an’isa 70% tsy nifidy satria tofoky ny fanodikonkodinana safidim-bahoaka. Ny fanjakana efa manao ny tsy mety indray no avo vava manao gisalahy mangala-ketsa. Raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra, hoy ny fitenin-drazantsika. Misy fetrany ny zava-drehetra, ka na ho ela na ho haingana rehefa ny fahefana no miorina anaty fitaka sy lainga dia tsy maintsy hidaraboka ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.