Asa raha mba mahara-baovao tsara ihany ny ao an-dapa ao.Efa tena miova fa tsy tahaka ny tamin’ny 2 taona lasa ny sary ankehitriny ; toa tapitra hatreto ilay kandida laharana faha 13 nampanofinofy sy manjelanjelatra be hilaza fa hanao zavatra tsy mbola vitan’ny rehetra nitantana teo alohany.
Fahantrana, fahasorenana, fahakiviana eny fa na avy amin’ireo milaza ho mpanohana azy aza no hita amin’izao fotoana.Ny mpanohita moa , efa mpanohitra tsy tokony hiadian-kevitra be fa izay no anjara andraikiny.Manohitra izy.Ny mampatahotra amin’ny toe-javatra misy ankehitriny io, dia sao lahy ka tena resaky ny moana sy ny marenina izy ity e !Miteny , miresaka, maneho hevitra ny mpanohitra na mpitsikera ; misy ihany koa ny manolotra soso-kevitra.Fa mba misy mihaino ve ? Sa lazaina fa rediredin’ny resy lava ireny fanehoan-kevitra maro be etsy sy eroa milaza ny tsy rariny sy ny fahadisoam-pitantanana ireny. Raha amin’izao taona 2020 izao aloha no mbola tsy mahay mandray lesona tamin’ny ntranga teto amin’ny firenena ny taona 1991, 2002 ary 2009 dia efa tsy hay intsony .Tokony efa hay tsianjery ny fitohizan’ny toe-draharaha, hoe avy etsy io dia manketsy mankeroa.tsy ale ove leretsy misoroka toa izay mitsabo .Madagasikara iaraha-manana ity ve no zimbazimbaina noho ny hambom-po diso toerana na ny fahasosorana amina olona tokana. Tokony mba samy mandinin-tena ihany fa dia efa ataon’izao tontolo izao resaka handanian’andro anie isika Malagasy e.Aoka ny zandry ho mora tenenina ary ny zoky tsy ho mafy loha.Mbola tsy tara raha miresaka amin-kitsim-po, mifandamina avy eo.Tsy ankifandrombaka tahaka ny akoho mahita rehoka sanatria fa samy manana ny andraikiny, misy ny fe-potoana hiasana,Tanteraho izay nampanantenaina.Raha atao ny fifidianana, na inona na inona karazany, ataovy ao anatin’ny fahamarinana manaja ny rariny sy ny hitsiny ary ahitana taratra tokoa ny safidim-bahoaka. Raha sanatria ka tsy te hahalala fa tonga amin’ilay hoe : ny ataoko ihany no ataoko dia tsarovy fa tsy misy ny Doria, ary misy farany ny zava-drehetra !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.