Edito

Misy farany !


  • Talata 28 Jona 2022

Vita iny ny fanamarihana ny tsingerin-taona nahazoana ny fahaleovantena. Asa aloha hoe: fahaleovantena tahaka ny inona moa izany no iainantsika amin’izao vanim-potoana izao?

Ny rehetra no afaka misaintsaina ny tena zava-misy, fa raha handray ohatra vitsivitsy, dia tena mbola lavitry ny kitay ny afo. Tantsaha ny 80% amin’ny Malagasy fa na ny vary izay foto-tsakafontsika aza mbola hafarana any ivelany ny ampahany. Ny vahiny mpamatsy vola no manome toromarika antsika hamboly sy hiompy fa ho an’ny mpitondra miainga amin’ny filoha dia teleferika, tanamasoandro, kianja manara-penitra,.. no maika sy laharam-pahamehana. Ingahy filoha tenany mihitsy no tsy tahotra tsy henatra nilaza fa tsy afaka hiandry vary roa taona vao miakatra. Aty amin’ny herintaona tsy hialana amin’ny toerana maha filoha vao hoe: zava-dehibe ny fambolena sy ny fiompiana. Vita iny ny fety, hafaliana sy fety niserana niezahan’ny isam-batan’olona nanao izay mba namalifaliana ny ankohonana araka izay tratra. Miverina eo an-kianjan’ny olana indray isika ankehitriny. Olana maro sosona mana randran-tarihina, olana tsy tena misy vahaolana mafonja avy amin-dRafanjakana fa ny hany tena ataony dia manarontsarona an’ireny amin’ny kisehoseho ivelany, miezaka mitondra fifaliana mandalo,… fa indrindra manao fampanantenana manaka-danitra. Tato anatin’ny telo taona, mbola ny fampanantenana aloha betsaka, tsy adino ny fanilihana ny tsy fahaizana any amin’ny hafa, ary nofinofy izany Fanjakana tsara tantana izany ankehitriny, fa difotry ny kolikoly, afera maloto, fanodinkodinana volam-panjakana,… Mbola heverina fa hahomby sy handaitra hatrany ve ny fampatoriana mitsangana sy ny kajikajy hitazonana io fahefana mandalo io? Mbola hanaiky hampatoriana sy heverina ho mora fitahana hatrany ve ny vahoaka tsy mandady harona? Misy fetra ny zava-drehetra, ary izay nafafy tsy maintsy mbola hojinjaina na ho ela na ho haingana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT