Edito

Misy antony


  • Talata 08 Martsa 2016

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy ho an’ny mpino Kristianina isika izao no mitranga ny seho maro samihafa eo amin’ny fiainam-pirenena, tahaka ny naha voatonotonona ny anaran’ny zanaky ny filoham-pirenena tamina savorovoro tao amin’ny kariera fitrandrahana vato tany Anjozorobe.


Eo koa ny feo ny amin’ny faharatsian’ny fifandraisana eo amin’ny filoha sy ny praiminisitra. Omaly dia minisitra iray manana ny maha izy azy ao anatin’ny governemanta no re fa nalefa notsaboina maika any ivelany noho ny aretin’ny fo nahazo azy. Nilaza ny fialany tanteraka ao amin’ny TIM ihany koa i Mamy Rakotoarivelo izay anisan’ireo olona tena akaiky ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny resaka fivoriana an-tampon’ny frankôfônia ao anatin’izany rehetra izany dia manomboka mampametra-panontaniana ihany hoe tena ho atao eto Madagasikara marina ve sa ahoana. Mampirisika mafy antsika hanohy ny fifampiraharahana amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ny Frantsay araka ny resaka nifanaovan’ny minisitry ny raharaham-bahinin’ny roa tonta tany Paris, midika izany fa tsy feno ny fepetra hivoahan’ny famatsiam-bola. Misy zavatra tena tsy milamina eto : fitsapana ve sa fisedrana sa efa famaizana (indray) izao mitranga amin’ny firenena Malagasy. Tokony mba hahay handini-tena ny tsirairay, indrindra fa ny mpanao politika sy ny manampahefana fa tsy tongatonga ho azy ireny tranga ireny fa misy antony.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT