Edito

Misy ambadika politika ?


  • Talata 17 Mey 2011

Ny alatsinainy ho avy izao vao hiatrika ny fakana am-bavany savaranonando manoloana ny mpitsara any Manhattan (New York) i Dominique Strauss Khan (DSK), teratany Frantsay ary Tale jeneraly am-perinasan’ny FMI na ny Tahirim-bola iraisam-pirenena.

 Voapanga ho nikasa ny hanolana mpiasa amina hotely goavana iray tao New York izy. Hentitra ny fanambaran’ilay vehivavy 32 taona mpiasa ao amin’ilay hotely fa tena ingahy DSK mihitsy no nampiseho fihetsika mamoafady sy nikasa ny hanery azy hanao firaisana ara-nofo taminy. Nosamborina avy hatrany moa ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny FMI ity ary notanana vonjimaika tany amin’ny polisy mihitsy. Niparitaka haingana manerana izao tontolo izao ny sariny voapetaka rojo vy amin’ny tanàna sy arahana polisy Amerikanina efatra. Raha ny fanambaran’ny mpisolovava azy dia tsy meloka i DSK ary vonona ny hanaovan’ny mpitsabo fitsirihana sy fizahana mba hamantarana ny zava-nitranga rehetra.

Efa maro be sahady ny resaka mandeha amin’ity raharaha manjo ny patron’ny FMI ity ka ao no milaza fa efa fanaon’ny olona ambony io misipa amin’ny sekreterany na ny vehivavy, na tovovavy mihitsy manodidina azy io, ary anisan’ny efa nalaza ratsy tamin’izany ny filoha Amerikanina teo aloha Bill Clinton izay niaiky fa tena niaraka tamin’i Monica Lewinsky. Tsy afa-bela tamin’io ihany koa ny filoha Kennedy izay nambara fa nifankatia miafina tamin’ilay mpihira sady mpilalao sarimihetsika malaza Marilyn Monroe. Vao tsy ela akory izay dia nivoaka an-gazety ihany koa ny nambara fa fitiavan’ny praiministra Italiana Silvio Berlusconi ny fiarahana amina tovovavy vao herotrerony. Ny Tale jeneralin’ny FMI teo aloha Atoa Paul Wolfowitz dia efa voapanga ho nanome toerana ambony sy vola ny sakaizany, izay niara-niasa taminy tao amin’ny FMI ihany. Ao ihany koa moa no milaza fa mety tetika politika ihany hanesorana amin’ny toerany ireto olona ambony ireto no nanaovana sinema ka nipoiran’izany rehetra izany, na paikady natao mba hanalefahana ny fahefany.

Tahaka ny eto Madagasikara mantsy dia tsy misy kisendrasendra izany mihitsy mitranga amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny politika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary any aza no tena henjana ny sangodim-panina satria efa tena avo lenta ny hafetsen’ny vazaha amin’io resaka io ary maro be ny tetika sy ny fahefana azo ampiasaina any ivelany any raha toa ka misy olona manana ny maha izy azy iray tiana hailika. Tsara homarihana fa mety ho kandidan’ny antoko sosialista any Frantsa amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2012 i Dominique Strauss Khan, ary ambaran’ireo mpanara-baovao politika any ivelany fa afaka mifampitana tsara amin’i Nicolas Sarkozy ary azo antoka fa hahazo vato betsaka noho ny azon’i Ségolène Royal tamin’ny 2005. Ka noho izany indrindra no niparitahan’ny siosion-dresaka sahady tamin’ny Internet nanomboka ny alahady teo fa sao dia mifono ambadika politika aza ity raharaha DSK ity ! Fa mba nanitikitika ny sain’ny mpanara-baovao eto an-toerana ihany koa ny hoe : rahoviana ary no mba hitranga eto amintsika ny zavatra tahaka ireny hoe manampahefana na olona manana ny maha izy azy no samborina sy alaina am-bavany any amin’ny polisy noho ny heloka nataony na ny zavatra nahiana fa nataony ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT