Ho an’ireo tena manadihady tsara ny fizotry ny raharaham-pirenena dia mahatsapa tsara fa tsy misy zavatra azo antenaina firy amin’ny fihaonan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana.
Efa naverimberina matetika teto fa tsy dia izy mianaka loatra no tena sakay sy maso fa misy ny firenena sy fikambanana iraisam-pirenena miasa mafy any ambadika any mitady izay fomba rehetra tsy hampihavana azy ireo. Ny tena mampalahelo dia misy Malagasy tafiditra ao anatin’ny sangodim-panina hampifandrafiana azy mianaka. Ireo zokiolona dia nahalala tsara ilay politikan’ny zarazarao hanjakana, ampiharina eto Madagasikara izy io ankehitriny ka nahatonga ny olona sasany nilaza hatrany am-boalohany fa tsy mety io resaka ankolafy io. Mpanelanelana amin’ny krizy malagasy ny SADC, saingy mibaribary be fa tsy mahaleotena tanteraka fa mbola mandray baiko avy any ambadimbadika any ary anisan’ny tompon’andraikitra tamin’ny fitaran’ny krizy ny SADC noho ny tsy fandraisany fanapahan-kevitra hentitra tamin’ny fotoana nilana izany. Tompon’andraikitra feno amin’ny fahapotehan’ny firenena koa anefa ireo mpanao politika, ka voalohany amin’izay i Andry Rajoelina, izay nidongy fahefana kanefa tsy mahay mampiasa izany akory mba hanasoavana ny vahoaka sy hanovana marina izay nambara fa tsy nety nataon’ny teo aloha.
Miha mazava koa izao fa voafandrika Atoa Ravalomanana, ka tena sarotra ho azy ny hiverina amin’ny sehatra politika. Tena mbola maro be ny Malagasy manohana sy miandrandra azy, saingy matanjaka dia matanjaka ihany koa ny mpifanandrina aminy eo amin’ny tontolo politika, eto an-toerana sy any ivelany. Tamin’ireny 2009 ireny moa dia efa nisy ny mpandinika nilaza, fa raha mametra-pialana ny filoha Marc Ravalomanana dia tsy tafaverina intsony eo amin’ny fitondrana. Mety efa nahafantatra zavatra maro ity mpandinika ny toe-draharaha politika ity, matoa sahy niteny tahaka izany. Dia hita tokoa ankehitriny fa sarotra ny hiverenan’i Dada an-kalalahana sy am-pilaminana eto. Na dia tsy mihatra aza ilay andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra mandidy izany, dia mitazam-potsiny ny SADC fa tsy manapa-kevitra. Atoa Marc Ravalomanana indray aza no omena tsiny fa hoe manelingelina ny fifampidinihana, ny fitondrana tetezamita tarihin’i Andry Rajoelina tsy diso, na dia folo volana aza tsy nety nampihatra ilay andininy faha-20. Dia tena feno mistery tokoa ity krizy eto Madagasikara ity e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.