Edito

Misotro ny rano tsy tiana


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Mihazakazaka ny fotoana, fa manitsaka ny volana fahaefatra sahady isika ho an’ity taona 2023 ity. 6 volana eo izany sisa dia hametra-pialana ny Filoha ankehitriny raha ho voatazona ilay volavolana datim-pifidianana.

Ity taona ity no nambara fa hanenjehana sy hanatanterahana ireo velirano tsy vita, ka asa hoe: mbola hisy ve ny fahagagana ao anatin’izany? Andeha handray ohatra kely ira isika hoe: firy kilaometatra amin’ny làlambe migodona nampanantenana 80km hatramin’ny faran’ity taona ity no vita tao anatin’ny 4 volana nilazana fa manomboka ny asa? Nodradradradraina ny filazana fa hajanona daholo ny resaka fotodrafitrasa fa hijery ny lafiny sosialy ka asa hoe: sosialy tahaka ny ahoana moa izany no miseho ankehitriny? Ny ao anaty Fanjakana aza ireny efa manatsikafona ny tsy fahombiazana ireny, tahaka ny depioten’Ikongo sahy milaza ankarihary, fa tsy mahay ny fitondrana ankehitriny, tsy mahalala ny tokony ho laharam-pahamehana, hany ka mijaly ny vahoaka. May ny endim-boanjo satria manomboka mikorapaka sy matahotra amin’ny fifidianana ho avy, hany ka raikitra ny kivorivory nampiantsoana olom-boafidy, toa mandeha hatramin’ny vava tsy ambina indray fa tsy maharesy azy ireo, hono, ny mpifanandrina eny fa eto Antananarivo aza. Fankaherezan-tena izany sa fandrangarangana hery indray fa mbola hanao ny atao indray ka efa mandefa hafatra fa tsy maintsy hogiazana io fahefana io hisy ra mandriaka aza? Manahirana ny toe-draharaha ankehitriny, sahirana sy mahantra ny vahoaka, latsaka an-davaka I Madagasikara,… saingy mbola tadiavina hatao kianjan’ady ara-politika. Tadiavina halentika tanteraka noho ny fitiavan-tena sy fahefana, potehina noho ny tsy fananana fanetren-tena sy tsy fanekena ny tsy fahaizana sy ny fahadisoana. Vokany, terena hisotro ny rano tsy tiana ny vahoaka Malagasy, ka ny efa hita fa tsy mahomby sy mandetika azy no terena ho ekeny. Dia samy miandry eto isika satria tsy misy ny mandrakizay, ny nafafy no tsy maintsy hojinjaina satria tsy misy hiala maina, ary tsy hisy hiasa maina, hoy ilay Raiamandreny am-panahy iray. Na izany na tsy izany, irariana ny hisian’ny vahaolana hivoahan’ny krizy, fa izao no mbola hiampy korontana noho ny fitiavan-tenan’ny sasany dia asa izay hiafaran’ity firenena ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT