Misora-tena ho andriamanjaka?

Mitohy ny fandrehetana afo ara-politika manampy trotraka ny krizy amin’ny endriny maro.


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

ka dia iny tonga hatrany amin’ny fisamborana sy fanagadrana kandida ho depiote iny indray. Tsy fiandaniana ary tsy fiarovana ny olona enjehina, fa mba mametra-panontaniana ihany hoe : fifandrifian-javatra ve ny hanaovana an’ireny aty anaty vanim-potoanan’ny fifidianana sa dia tena fandrehetana afo ara-politika sy don-tandroka ho an’ny mpifaninana ? Raha tahaka io fahaizana mihetraketraka sy mamboly fankahalana io tokoa moa ny fahaiaza-manao sy hafainganam-pandeha any anaty famahana ny krizy mangeja sy fahantrana mamatotra ny Malagasy maninona, fa ny zava-misy dia mena ny tondro rehetra amin’ny ankampobeny. Haharihary tahaka ny tafika andrefan-tanana fa misy ny ambonin’ny lalàna ary misy ny ambanin’ny lalàna rehefa tarafina amin’io hetraketraka ara-politika miendrika famotehana sy setrasetra ataon’ny mpitondra io. Miha manalavitra hatrany ny Fanjakana tan-dalàna sy mitovy eo anatrehan’izany, fa toa misy ny andriamanjaka tsy maty manota, ary misy ny vahoaka sy ny tsy mpiray foto-kevitra amin’ny mpitondra natao hanjakazakazana sy hanaovana izay tiana hatao. Tsy misy arofanina politika izany intsony eto, fa tena mizotra makany amin’ny tian-kano tsy tian-kano, hetraketraka politika, tsy firaharahiana ny Fanjakana tan-dalàna, ny soatoavina Repoblikanina,… Taiza teo amin’ny tantara no mbola nisy filohana andrim-panjakana miisa 2 naongana noho ny fomba fijeriny ara-politika manatsikafona ny zavatra tsy mety eto amin’ny Firenena fa niseho izany tamin’izao fitondrana izao. Inona tamin’ny nolazain’ireny olona ireny no diso ? Moa tsy tafiditra ao anatin’ny lonilony politika lalina isika rehefa nandeha ny amboletram-pifidianana ? Iza no sahy hilaza fa tena milamina ara-toekarena sy sosialy i Madagasikara ary mahatoky antsika ny mpampiasa vola ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT