Edito

Misoko miadana a !


  • Talata 21 Jona 2016

Sarotsarotra ny fikarohana sy fanamarinana 100% ny vaovao saingy na izany aza dia re fa misy andiana mpanao politika nivoy efa ho herinandro vitsivitsy izao.


 Fandinihana ny fananganana tetetazamita vaovao no lahadinik’ity fivoriana miafina tanterahana eto Antananarivo ity, raha araka ny loharanom-baovao iray. Tsy resaka fidinana an-dalambe na grevy lavareny fa hafa mihitsy ny paikady voatondro fa hampiasain’ireto andiana mpanao politika ireto ary vola be no efa vonona hamatsiana ny hetsika rehetra. Efa misy ny anarana mpanao politika fantatry ny mpanao gazety fa tafiditra ao anatin’ity hetsika ity saingy nosafidiana mihitsy aloha ny tsy hamoaka azy. Ny azo ambara hatreto dia misy mpanao politika manana ny  maha izy azy sy lehibena antoko ao anatin’ity resaka ity.                                                                                                                                                                                                                                                     Fantatra ihany koa fa efa misy amin’ireo mpitondra fanjakana mahafantatra tsara io ketrika misoko miadana io. Mbola tena ao anatina sangodim-panina politika i Madagasikara amin’izao fotoana ka ny tsy fisian’ny fitoniana no mampiahotra ireo mpamatsy vola ; mety vao miha hanahirana izany ny fiainana eto atsy ho atsy raha sanatria ka misy indray ny savorovoro hanonganam-panjakana. Inoana fa tsy vahiny amin’ny resaka tahaka izao ny filoham-pirenena, ka asa indray izay vahaolana harosony… Sa ve efa rafotsibe very laona ka miandry izay higadonany fotsiny e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT