Mitovy fa tsy sahala ny zavatra nitranga momba ny asa fanelanelanana ho famahana ny krizy teto Madagasikara raha ny taona 2010 sy 2011 no ampitahaina. Ny mampitovy azy dia totoafo ireo fihaonana etsy sy eroa, na ny teto an-toerana na ny tany ivelany.
Nivezivezy matetika teto ireo mpanelanelan’ny SADC ka nihaona sy nitafa tamin’ireo ankolafy politika isan-karazany. Isaky ny mitady hivaha ny krizy fa hoe hita ny marimaritra iraisana dia misy tranga hafahafa mampihemotra indray. Tao anatin’izay rehetra izay dia niova ny mpikambana tao amin’ny governemanta, nitombo ny mpikambana tao amin’ny parlemanta, nitombo tahaka izay koa ny isan’ny vondrona politika. Niavaka kosa anefa ny fizotry ny raharaha tamin’ny enim-bolana faharoa tamin’ity taona ity satria tsy nitranga intsony ilay hoe samy milaza ny heviny fa tena niroso amin’ny tsy maintsy hampiharana ny sori-dalana kosa ny SADC. Izany no nitranga dia satria tsy mety mahay mifandefitra ny samy Malagasy fa tsy maintsy misy be fangataka sy tia tena foana. Na mifanaiky izao aza fa hatsahatra ny fanenjehana dia mbola mitohy ihany ny fanagadrana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny tena.
Misy antony mazava matoa nandefa delegasiona miaramila ny SADC. Tao anatin’ny roa taona mantsy izy ireo dia tsy niditra tamin’io mihitsy. Araka ny tsiliantsofina re, efa tamin’ny faran’ny taona 2009 dia nomen’ny sehatra iraisam-pirenena roa taona i Andry Rajoelina sy ny ekipany mba handaminany ny firenena sy mandresy lahatra ieo ankolafy politika hafa hiditra ao anatin’ny tetezamita. Dia nisy tokoa ny fampidirana ireo olona avy amin’ny firehana hafa, tahaka ny hoe Arema, TIM saingy tsy nety tafavoaka ny baolina satria nitsipaka avy hatrany ireny mpamadika palitao niditra tao amin’ny FAT ireny ny lehiben’ny ankolafy niaviany.
Taorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra 2010 ihany koa dia efa tokony mba nahavita fifidianana iray farafaharatsiny, araka ny tsiliantsofina re ihany ny FAT saingy tsy vita izany. Fifidianana solombavambahoaka no nokendrena natao mba hananana parlemanta voafidim-bahoaka fa tsy hanjakan’ny olom-boatendry. Voalaza fa mety ho mora kokoa ho an’i Andry Rajoelina ny hahazo fanampiana avy any ivelany raha nahavita izay izy, saingy nikatso ny raharaha. Noho izany dia tsy maintsy naverina tany amin’ny SADC ny famahana ny olana, ny diniky ny samy Malagasy rahateo tsy nahomby, na dia samy nafana fo daholo aza tany am-boalohany.
Tsy afaka ny handany roa taona hafa indray amin’i Madagasikara anefa ny SADC koa dia io mihazakazaka io ny toe-draharaha ary tonga masiaka amin’izay ny Troika fa tsy nilalao baolina tahaka ny ekipan-dry Joaquim Chissano sy Leonardo Simao. Raha izao fomba fiasan’ny SADC ankehitriny izao no dinihana dia efa hipetraka daholo ny andrim-panjakana rehetra, izany hoe : CT, CST, CENI, CNR ary Governemanta tarihina praiminisitra vaovao amin’ny fiandohan’ny volana novambra, aorian’izay dia ho tonga eto ireo mpanao politika nanao sesitany ny tenany, ka tafiditra ao anatin’izany Atoa isany Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka. Efa misoko miadana ho amin’izany izao fomba fiasan’ny SADC izao, andro sisa andrasana. Tsy misy adihevitra be intsony io raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy fa atsangana haingana, ato anatin’ny 2 na 3 herinandro ireo rafitra dia mody eto Madagasikara ireo filoha mirahalahy teo aloha.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.